EDITO 16 Novambra – Fifidianana 27 novambra – Tongava mifidy ry Antananarivo hanafay ireo mpamorika firenena

Ny Valosoa

Feno 10 volana izao no nitondran’i Andry Rajoelina ny firenena, iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanàna fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena , ny marina kokoa dia vao mainka miharatsy sahala amin’ny amboa nosasana ny fiainambahoaka.

Efa fantatra mialoha ihany fa tsy maintsy ho toy izao ny hiseho, satria anie tamin’ny fitondrana tetezamita nentin-dRajoelina dia efa hita fa tsy nahomby ny fitantanany, saingy jamban’ny lesoka tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny Malagasy dia nanadino ny hagegen’i Andry Rajoelina nandritra ny 5 taona 2009 ka hatramin’ny 2013.

10 volana izay no nitondran’ny Ird , mampiteny ny moana sy mampitambim-bava ireo vavana ny zava-mitranga izay fehezina amin’ny hoe” tsy fahombiazana tanteraka”, kanefa dia mbola misisika ihany hitondra an’Antananarivo ry zareo namorika ny fiainam-bahoaka, ka atao izay fomba rehetra hambaboana ny fon’Antananarivo, tanisaina avokoa izay fampanantenana tsy natao nandritra ny tetezamita, izay tsiahivina fa sady teo amin’ny fanjakana foibe ,no mbola nitondra ny tanànan’ Antananarivo ny Tgv ny 2009, ka hatramin’ny 2013.

Fatiolona , dorotrano, fandrobana, fampiasana olona mitam-piadina, izay no fomba nahazoan-dRajoelina ny fahefana tamin’ny 2009, ary tamin’ny fifidianana farany teo dia ireny hitam-poko hitam-pirenena ireny ireo hosoka tamin’ny endriny samihafa, izay marihina fa fomban’ny mpamorika avokoa.

Soa f’efa fay ny vahoakan’Antananarivo, ka tsy ho azon’ny fandrebirebebena, ka hirodorodo hifidy an’i Rina Randriamasinoro laharana faharoa sy ireo mpanolotsaina Tiako i Madagasikara (TIM) laharana fahaefatra , ny vato harotsatsika vahoakan’Antananarivo no solon’ny voanjobory hanosehana ireo namosavy ny fiainambahoaka ireo.