TONELINA TSY MISY FARANY

Folo taona izao isika no efa niditra tonelina:
Tamin`ny tetezamita, avy eo Rajao sy Rajoelina.
Mandraky ny ankehitriny, mbola ao, tsy tafavoaka,
Haizim-pito tsisy farany no iainan’ny vahoaka !

Raha ny momba an’ito farany, lasa izay ny folo volana,
Saingy indrisy, tsy voavaha fa dia mitombo hatrany ny olana!
Jiro: tapaka matetika, rano : mampiferin’aina.
Tsisy hapoaka ny filoha ka dia tsy manan-kolazaina .

Ny dahalo no manjaka na an-tsaha na an-tanàna.
Tsy milamina ny tany, mbola ho ela ny hazavana!
Izay ataon’ny mpitondra, zary toa maneno sahona.
Ny mangidy efa tsy telina nefa tonga indray ny vahona!

Olona midehadehaka, izany sisa no hany tazana,
Fa tsy vonona hiaiky ny amin’ny tsy fahombiazana.
Raha izay io no mbola hikiry hanapitra ny dimy taona,
Dia miomàna ry vahoaka fa hitohy ny alin-tsaona!

… Mpanao gazety no tsaroana raha nanao fanambaràna:
“Misy ny karazan`olona tsy azo omena fitondrana !”.
Asa izany raha dia mbola hohamarinin’ny tantara,
Fa hatreto dia mitohy ny haizina eto Gasikara !

DADAN’i ZINA (15-11-19)