EDITO 12 Novambra – Fampianarana – Aza midehaka ho zavatra rehefa mba manao kely

Sôh’son

Ho an’iza marina no hananganana Oniversite eto amintsika? Nanaitra ny tenin’i Andry Rajoelina tany amin’ny faritr’i Menabe ny faran’ny herinandro lasa teo raha nandeha tany ny tenany. Fandehanana izay miendrika propagandy ihany n’inona n’inona fiarovan-tenany na ireo mpiara-misôsy aminy. Anisany teny nambarany ny amin’ny hoe ”maro ireo mpizahantany mandalo any amin’iny faritra iny, ka izay no anaovana vitrine oniversite…”.

Ny fandalovan’ny mpizahantany ve hananganana oniversite mba hisehoana hoe ahoana? Ny oniversite eto Antananarivo aza tsy mahalany sy tsy mahavaly afaka mandray ireo zana-bahoaka marobe tsy manambola mba hanohy fianarana ambony fa rehefa mahavita ny bakalorea dia hatreo ny farany. Toe-javatra iray lehibe eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto amin’ny firenena tsy ao anaty vahaolan’ny fitondrana mihitsy na kely aza hatreto ny amin’izany nefa efa an-taonany maro no niainan’ny vahoaka. Ny antony, satria ny zanak’izy ireo tsy mianatra amin’ny sekolim-bahoaka hatrany amin’ny ambaratonga fototra, ka hatreny amin’ny Anjerimanontolo. Hany ka tsy fantany na tsy mandalo ao an-tsain’izy ireo izany.

Raha tsy tenenina koa izao izany dia tsy ampitain’ireo mpanasohaso sy mpila ranondranony aminy hoe “mba ataovy izao prezidà”, dia iny vao mody mihazakazaka tokoa miseho manao izany, satria tsy manana fandaharan’asa mazava sy hentitra eo amin’ity sehatry ny fampianarana ity. Porofon’izany izao niseho tato ho ato izao. Raha manana fandaharan’asa mazava mantsy tsy miandry rehefa miditra ao anaty fotoam-pianarana sy fampielezan-kevitra toy izao vao mizara fitaovam-pianarana toy izao sy mbola manohy manao fampanantenana isan-karazany izao. Mialohan’ny fotoam-pianarana no tokony hanao izany raha tena matotra, fa tsy efa misy fandaniam-bola ataon’ny ray aman-dreny vao mody mihazakazaka mitondra fanampiana.

Nokianin’ireo mpanadihady ara-politika eto amin’ny firenena ihany koa, ohatra, ny fomba fiasa fandraisana fepetra fampidirana mpampianatra ho mpiasam-panjakana tampotampoka eo toy ireny teny Anosibe ireny. Miendrika “Populisme” avokoa ny zavatra atao rehetra eto amin’izao fotoana izao noho ilay politika ara-tsosialy mandeha.

Aoka koa tsy hanampim-bava izay manakiana, fa anjaran’ny mpitondra, ny fitondrana tanteraka no manao ny asa sosialy toy ny eo amin’ny sehatry ny fampianarana. Izay no ahatongavana eo amin’ny fitondrana sy ny nifidianan’ny vahoaka ary tsy noterena nankeo amin’io toerana io, ka rehefa mba manao kely dia aza miedinedina, fa ny fanapotehana ny firenena tato anatin’ny 10 taona aza ity asa na ampahafiriny kely no mba voaverina.