Julien Andriamorasata (mpiara-miasa amin’ny kandidà Rina Randriamasinoro) – Aoka izay ny halabato

Miangavy koa re tompoko, aoka izay ny halabato. Tsy mamely n’iza n’iza akory aho raha miteny izany fa raha tamin’ny voalohany ianao nangala-bato, tamin’ny faharoa ianao nangala-bato, vahoakan’Antananarivo tsy hanaiky intsony amin’ity indray mande ity raha misy halabato.

Ny lalàna (2019-1541) milaza fa ny lisitra tamin’ny fifidanana depiote teo no manan-kery, izany hoe tsy azo ovaina, tsy azo kitihina, tsy azo anampiana, tsy azo analàna. Kanefa maheno izahay fa efa nisy nanova iny lisitra iny, tamin’ny halalan’ny sefo fokontany.
Ka izahay dia miangavy an-tanan-droa fa tsy mahasoa izany zavatra izany. Aoka ny sefo fokontany tsy ho ampiasain’ny CENI ho atao agent électoral. Fitaovam-panjakana anie ny fokontany e, manàna ianareo indépendance sy autonomie amin’izay.

Mankahery antsika rehetra. Hitohy ny porte-à-porte ataon’i Rina, hiaino anareo izy, na tsy manam-potoana àry, na sahirana izy. Vitany io ary matoky azy aho.

Don-dresaka 10 novambra 2019 – horonantsary feno – rohy (eto)