Mila mailo Antananarivo amin’ireo efatra izay iray: “ 4 izay 1 “

Te hahazo mafy ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny mpitondra, ka mitady izay fomba rehetra hamitahana ny vahoaka mpifidy. Hita mibaribary tamin’ny fifanatrehan’ireo kandida 5 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna nampitondraina ny lohateny hoe: Donakafon’Analakely, fa ny efatra amin’ireo kandida dia samy olon-dry Bevoay avokoa; dia mody mitonona ho tsy miankina sy mahaleo tena, ny hafa indray mody mamely miaraka ny fitondrana sy ny mpanohitra hoe variana amin’ny adilahy politika kanefa hita ho fikan-jaza ihany, satria izy efatra ireo dia niaraka tamin’ny fanonganampanjakana sy fanapotehana an’Antananarivo ary fampandresena an-dry Bevoay avokoa.

Ny vahoakan’Antananarivo tsy bado, fa faran’izay marani-tsaina, ka tsy ho azo fandrihana, iza no tsy mahalala f’ilay mpanakanto mirotsaka ho fidiana dia mpanao fandaharana tao amin’ny haino amanjerin’ny antokon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ilay tovolahy kely mitonona ho olombaovao tsy mbola nanao politika dia endrika tsy vaovao f’efa teo anilan’Ingahy Rajoelina tamin’ny fampielezankevitra, toy izany koa ilay somary efa zokinjokiny.

Ny tanjon’ireto efatra izay iray: 4 izay 1 dia ny hanao tambabe amin’ny Kandida Rina Randriamasinoro, ka nokajiana ho sokajin’olona tsy mitovy sy sokajintaona samihafa no aroso handrebirebena ny mpifidy tsy ho liana amin’i Rina Randriamasinoro.
Ny olon-dry Bevoay no nanimba an’Antananarivo nanomboka tamin’ny 2009, nitondra an’Antananarivo ny taona 2007 hatramin’ny 2015, niaraha-nahita ny tsy fahombiazana tamin’izany kanefa dia ry zareo ihany koa no teo amin’ny fanjakana foibe, i Neny anefa na dia tsy nahazo ny vola fanampiana avy amin’ny fitondrana izay efa voafaritra tao amin’ny tetibolampanjakana ny tokony hisitrahany izany, dia nahavita nampandroso ny tanàna, voaloa ara-dalàna ny karaman’ny mpiasa ary mbola mahazo fankasitrahana isaky ny tonga ny fety ny mpiasan’ny kaominina.

Tsy mampalain-komana ny vahoaka hendry maro an’isa, efa vonona hifidy ny Kandida Rina Randriamasinoro izay efa voasedra sy manana traikefa amin’ny fitantanana ny tanàna, ny kajikajy apetraka satria azo antoka fa ny kely ananan’izy 4 izay 1 ihany no ifampizarany eo tsy hisy fiantraikany amin’ny vato ho azon’i Rina Randriamasinoro. Dia efa miomana ianareo efatra, tsy maintsy hisy ny hahazo ny 0 virgule (0,….) amin’ny voka-pifidianana ny 27 novambra izao.