Anjeva – Marc Ravalomanana mivady nanolotra baiboly tokantrano vao 12

“Tena faly aho”, hoy I Marc Ravalomanana.
Baiboly miisa 12 no natolotr’i Marc Ravalomana mivady ho an’ireto tokantrano izay nanamasina fanambadiana tao amin’ny fiangonana FJKM tranovato Anjeva ny Alahady faha-10 Novambra teo.

Manana anjara toerana lehibe ny fiangonana eto amin’ny firenentsika, hoy i Marc Ravalomanana, hitoeran’ny fitaizàna sy fanantenàna.