6 novambra – 24 taona omaly ny nahamay ny Rovan’I Manjakamiadana

Ny fahamaizan’ny Rovan’Antananarivo ny 6 novambra 1995

Naina

24 taona omaly 6 novambra no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana. 06 novambra 1995 – 06 novambra 2019: 24 taona tokoa no nandoran’ny tsy mataho-tody ny Rovan’Antananarivo tamin’izany fotoana izany.

Mbola mijanona ho mistery ny antony nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana, may kila hotohoton’ny afo ny Rovan’i Manjakamiadana ny harivan’ny 06 novambra 1995. 24 taona aty aoriana, rindrim-bato no hany tazana, taorian’ny asa fanarenana natomboky ny Filoha Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2006.

Nanao vava asa teny ny filoha Andry Rajoelina iray volana taorian’ny nandraisany ny fitondrana, ary mikasa ny hamita ny fanarenana ny ao Anatirova mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny taona 2020.

Dia ho hita eo raha ho tontosan’ity fitondrana be resaka tsy misy hapoaka ity izany fampanantenana nataony izany.