Ambohitrimanjaka – Olana hiampy olana ho an’ny mponina ny tetikasa Tana-Masoandro

Sôh’son

Olana hiampy olana, izay no hiandry ny mponin’Antananarivo raha hirosoana ny tetikasa Tana-Masoandro kasaina atao eny Ambohitrimanjaka. Ary tsy eny Ambohitrimanjaka ihany no ho hiharan’izany fa ireo kaomina telo hafa mifanakaiky aminy ary ny manodidina ihany koa ireo kaomina ireo. Olana roa no horesahana, izay mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana.

Iaraha-mahita tsara izao indrindra ato anatin’izao fitondrana izao, fa tsy ampy ny rano madio fisotro avy amin’ny Jirama, ary tsy vitany ny mamatsy tanàna sy fokontany maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mazava loatra fa eo aloha ny habetsahan’ny mpanjifa ny ranon’io orinasa io, izay sahiran-dava isan’andro. Hanampy trotraka izany ny fihenan’ny rano rehefa amin’ny vanim-potoana mafana na lohataona toy izao, ary rehefa midaroka avy any andrefana lavitra any ny hetraketrak’ilay mpanakorontana toetrandro manerantany “El Nino”. Efa tsy afa-bela tamin’io isika niaraka tamin’ny firenena maro tao Afrika sy Azia ankoatra ny tany Amerika taona vitsivitsy lasa izay ary niafara tamin’ny filana vonjy ny ranon’Antelomita. Mbola mety hiverimberina io fa tsy hisy afaka hiteny hoe indray mandeha miserana ihany. Nilaza fa efa manao paik’ady ny fitondrana amin’ny fitadiavam-bahaolana, toy ny fanaovana fotodrafotr’asa vaovao eny Amoron’Ankona. Nambara anefa fa ny ilany atsinanan’ny renivohitra ihany no mety ho voavatsy rano amin’izany, dia ahoana ireo faritra hafa? Ny faritr’andrefan’Antananarivo renivohitra momba ny olany amin’ity rano madio fisotro ity? Maro ny mpanjifa mijaly rano. Ka raha hiampy mpanjifa hafa toy ny tanàna vaovao eny Ambohitrimanjaka dia ahoana? Ny rano mety mba nisosoka tany ambany tany ka nahafahana nanao lavadrano na vovon-drano aza mety ho tankina satria kasaina hototofana ny tanimbary amin’arivony hektara. Olana hiampy olana no miandry raha ny fiheverana azy.

Ny olana faharoa lehibe mety hitranga, dia eo amin’ny lafiny famatsiana jiro. Ny mpanasohaso fitondrana sy mpisolelaka ihany no tsy mahita izany fa miaro be fahatany sy anjambany fotsiny noho ny fiarovana ny tombontsoan’ny tenany fa tsy ny an’ny vahoaka. Na tao anaty delestazy na izao lazaina ho fahatapatapahana matetika isan’andro izao, dia anisany mijaly ny faritr’andrefan’Antananarivo renivohitra iny. Ao anatin’ny iray andro ankehitriny, tsy horesahina intsony ny delestazy, dia misy in-dimy na in’enina tapaka ny jiro. Tsy fantatra intsony ao anatin’izany izay fitaovana simba, ny asa mikorontana ka miteraka vola very, sns. Tamin’ny andron’ny delestazy na ihany koa tamin’ny fotoana nambara ho nisian’ny fahavoazan’ny fitaovana mpamatsy jiro an’Antananarivo, dia natao faralahy hatrany iny vohitr’Ambohidrapeto sy ny kaomina manodidina azy iny. Misy filazan’ny tomponandraikitra tao amin’ny Jirama tamin’izay ny hoe “bout de circuit”, iny tanàna iny. Anisan’ny fitarainan’ny Jirama ny amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny hery enti-mamatsy ireo mpanjifa. Ny vahaolana aroso izao dia hoe “hoezahina hampitomboina ny kaontera hamaliana ny tinady”. Izany hoe mbola tsy maharaka izay mpanjifa efa mitady ankehitriny izany aloha ny zava-misy eo an-tanany. Izany hoe ny eo izany tsy araka na tsy vita mainka fa mbola hisy ity tanàna vaovao izay mety hisy orinasa hanjifa herin’aratra ambony be miampy ny rano tsy maintsy hampiasaina ao. Mazava loatra, fa tsy mbola voatsinjo izany, satria ity fitondrana Rajoelina ity, ny azy tsy taitra sy mandray fepetra raha tsy efa olana lehibe no mitranga ateraky ny zavatra nataony. Fa mbola variana sy zatra manilika ny fahadisoana any amin’ny hafa hatrany mnatsy ny fomba fanaony.

Ireo aloha no resahina hampieritreretana, fa mbola misy ireo olana hafa izay tadiavina hikimpiana fotsiny izao…Manitikitika fatratra ny maro araka izany ny amin’ny fisisihana mafy hanatanteraka azy io ka hanontaniany ny ao ambadik’izany…