HO ANAREO MPAMADIKA PALITAO

Soa ihany ianareo fa tsy lany
Ry nitetika ny ho solombava,
Fa tsarain’ny atao eny ihany
Ny mpamadika sy ny mpandrava.

Tena hita fa jamban’ny vola.
(’Zany masonareo no miampanga!)
Ny maloto no iaraha-midola,
Ny sakaizanareo: lalimanga!

Raha nipetraka fotsiny angamba
Dia mba hoe noleferina ihany.
Saingy izao eny an-tanin’ny jamba,
Ka indrisy fa mampitomany!

Ianareo ’zao no nanili-tena,
Ary lasa nanova famindra.
Dia nilaozana ny fahendrena
Fa ny vola no lehibe indrindra!

Ny natolotra dia tsy nekena,
Fa naleo nisafidy ny sola.
Voaporofo ny fitiavantena,
Ary indrindra ny fitiavam-bola!

Palitao tsy azo avadika indroa
Ka tandremonareo sao dia lanaka.
Ny tsy mety natao ihany koa,
Mbola hivaly amin’iretsy taranaka!

Ny tantara dia mbola tsy vita
Ry mpamadika tena ikoizana.
Be ny toa anareo no efa hita
Fa tsy lasa nankaiza dia vizana!

DADAN’i ZINA (07-11-19)