I RINA NO METY AMINTSIKA RY IARIVO

Tsy tranainy efa toa lany daty,
Fa tanora sy mahafatifaty.
Ka na endrika izany na bika ,
Dia I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tsy ny zatra ny kobaka am-bava,
Fa mpizotra amin’ny lala-mazava.
Be dia be ny mpanao politika,
Fa I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tena mendrika ny renivohitra,
Sy tohanan’iretsy mpanohitra.
Raha fehezina na koa adika
Dia I RINA NO METY AMINTSIKA.

Olon-tsotra sy tena mivavaka.
Tsy hitarika anao ho any an-davaka.
Tsy mpandainga na be fikafika.
Tena I RINA NO METY AMINTSIKA.

Tsy ny ekipan’ny mpamafy loza.
Tsy ny zatra mpanao lalam-poza.
Tsy mpandainga ho mpanao mazìka,
Io no RINA ilay METY AMINTSIKA.

RINA ihany ny antsika rey olona!
Fa Iarivo efa zatra mitolona.
RINA ihany, aza isalasalana,
Io no mendrika ho BEN’NY TANÀNA!

DADAN’i RIANA (06-11-19)