EDITO 7 Novambra – Aoka tsy hofitahina amin’izay tsy natao sy tsy vita ny vahoaka

Sôh’son

Miditra amin’ny andro fahatelo ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Ho an’ny eto Antananarivo renivohitra dia manan-tsafidy tsara ny vahoaka ary afaka hahalala sahady ny kandidà manao kobaka am-bava sy volana an-tenda fotsiny satria azo « refesina » tsara izany raha mitodika ny lasa sy ny zava-nisy ary ny nataony.

Raha mandala fampihavanana, ohatra, dia fantatra marina ny olona hahavita izany, fa tsy ny avy amin’ny olon’ny fitondrana velively. Porofon’izany, fa tsy haka lavitra ny fihetsiky ny fitondrana tato anatin’ny 11 volana izao. Iza tamin’ny olom-pirenena no nandre feo avy amin’ny fitondrana Rajoelina fa hifofotra izy hanatanterahana ny fampihavanana eto amin’ny firenena ary hitady ny fomba rehetra hanampiana ny Filankevitra Fampihavanana Malagasy na ny CFM? Raha miteny Fampihavanana dia fampiraisan-kina ny vahoaka izany. Tsy misy afaka hamaly fa naheno izany avy amin’ny fitondrana ary hita fa natao ambinambin-javatra izany. Izany anefa ankehitriny no tadiavina teny sy kabary entina hamitahana vahoaka. Ny zavatra na fihetsika tsy natao hatramin’izay aza hamitahana vahoaka, fa anisan’ny fositra namotika ny firenena mandraka ankehitriny sy tsy nampandroso no tsy nampisy fivoarana ny vahoaka izany.

Nahoana no mihizihizy tsy mihontsona ny fahavitrihana sy ny fitomboana fihariana ara-toekarena raha tarafina aty amin’ny sarambabem-bahoaka fa tsy ny ataon’ireo bevozona teratany sy vahiny mpanefoefo vitsy an’isa? Ireto farany izay mamitaka ny seho marina misy eto amin’ny firenena, ny momba ny vahoaka Malagasy, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Etsy ankilan’izay, ny zava-misy marina indray, izay izy no rangory fototry ny afo, no tadiavina hanaovana resabe hamitahana vahoaka, fa izy no hanarina azy. Mora ny mandrava fa sarotra ny manarina, ary izay ny antony niezahin’ny Filoha teo aloha, Ravalomanana Marc sy ireo mpiara-dia aminy mendri-pitokisana, ary tsy mivadi-pitokisana, manangana hitsinjovana ny taranaka any aoriana. Vonona hanao ny tsara fa tsy mihevitra izay haminganana ny hafa mpiray tanindrazana, fa izany no fitsinjovana tokoa ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Soa fa efa miha matotra ny vahoaka Malagasy amin’ny safidiny eo amin’ity resaka fifidianana ity na eo aza ny fandrabirabiana volabe sy ny fihetsiketsehana toa mamita-maso ivelany mbamin’ny kabary fampiesonana.