EDITO 5 Novambra – Politikam-pitondrana : minia mikimpy amin-draharaha tsy voafehy

Sôh’son

Sahiran-tsaina amin’izay hametrahan-toerana ny fitondrana Rajoelina ankehitriny ny vahoaka Malagasy. Vao mainka niha-montsana ny fifampitokisana ary niha- nitombo ny elanelana eo amin’ny roa tonta. Tsy tongatonga ho azy izany, fa nipoitra sy nahazo faka noho ny zava-nitranga.

Anisany niteraka izany ny raharaha Ambohitrimanjaka, izay toa nodinganina ny nifanarahana tamin’ny vahoaka sy ny teny nomena, ary nahatonga ireto farany ho sorena sy naneho fihetsika fanoherana tamin’ny Sabotsy lasa teo. Ny resaka mody atao, kanefa ny atao atao ihany etsy ankilan’izany, ary tsapa fa tsy mihevitra ny hihemotra ny fitondrana na dia tsy eken’ny vahoaka sy laviny marindrano aza ny tetikasa Tana-Masoandro. Moa ve tsy jadona izany na dia atao amin’ny fomba ankolaka aza amin’ny fandrirarirana amin’ny hoe hifampidinika? Efa mazava ny tenin’ireo vahoaka avy amin’ny kaomina efatra, dia Ambohitrimanjaka, Ankadimanga, Ambohidrapeto ary Fiombonana, fa hoe tsy lavin’izy ireo ny tetikasa, fa tsy eny amin’ny tanindrazan’izy ireo no hanatanterahana izany. Dia mamafy lainga amin’ny haino aman-jery ny mpila ranondranony fa hoe tsy tia ny hampandroso an’Antananarivo, sns… Ireto sokajin’olona ireto mihitsy anefa no tena fositra amin’ny fiainam-bahoaka, satria minia mikimpy amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka. Zavatra maro no ho simba ary tsy ho tafarina velively na ho inona fivoarana eny aorian’ny fipetrahan’io tetikasa io. Hinia hikimpiana ve izany? Tsy maintsy hisy vokany faharoa, raha toa ka fanafody dia hoe “effet secondaire”, io tetikasa io. Hiniana hikimpiana ve izany?

Nambaran’ny solontenan-dry zareo “fokonolista” mpanadala ny maha zava-dehibe ny fokonolona, fa na hamirapiratra toy inona aza io tetikasa io raha tontosa, dia tsy hahavaha ny olam-bahoaka mihitsy izany, fa hanafina fotsiny ny fahantram-bahoaka, toy izao efa iaraha-mahita amin’izao fotoana izao. Dia iniana hikimpiana koa ve izany? Tsy mendrika ny maha mpitondra anefa izany raha toa minia mikimpy amin-java-maro fa manao jojorombona fotsiny tsy te hahalala izay ho fidonany. Ny mpitondra mahay sy mendrika dia mahafehy ny zava-drehetra eo amin’ny firenena tantaniny ary mampiaiky volana ny vahoaka ny fahendrena ao anatin’ny zavatra ataony sy tanterahiny.