ANTSON’AMBOHITRIMANJAKA

Etsy sy eroa mbola be tany ngazana
Ka dia nahoana ny anay no hogiazana?
Tany voajary sy voakolokolo
Kanefa dia anaovana loham-bontolo?

Sa tena efa izay ilay “fisainana foza”:
Ilay tia mihetraketraka mamafy loza,
Ka tany sy haren’mponina an-tsaha
Dia anaovana “bizina” omena vazaha?

Izany no olona fatra-piteny
Fa hamelo-maso ireo raiamandreny,
Kanefa fisainana ambany toy izany
No entina mba hitondrana ny tany?

Vahiny no aiditra hanjaka eto an-dasy?
Sao efa tsy manana “ra malagasy” ?
’Zahay tsy “sanàna” ka hoe faly volony
Hitoetra amin’ny tranobe “rihana ampolony”.

Tena tsy izany no maika aminay
Fa ny “hohanina anio” sy ’zay “ho ampitso indray”,
Ka ny tanamasoandronareo atsaharo,
Tadiavo izay soa ho an’ny besinimaro.

Na koa any an-kafa io angamba no mety
Satria mbola maro ny tampon-tanety.
Dia aza ny anay no tsy ahaizana miaina
F’Ambohitrimanjaka tsy azo tsapaina!

DADAN’i RIANA (01-11-19)