Fampianarana – Voafitaka indray ny mampianatra Fram sy ny ray aman-dreny

Rajaonarimpanontsana

Omena asa avokoa ny tanora, tsy hisy intsony mpampianatra Fram tsy ho tafiditra ho mpiasam-panjakana fa dia ampidirina ao anaty valaben’ny mpiasam-bahoaka avokoa rehefa mpanabe FRAM, hoy ny filoha Andry Rajoelina, rehefa izy no mahazo ny fitondrana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Inona no teo, hoy ianao? Mpampianatra FRAM maherin’ny 40.000 isa no mameno isa indray ny tsy an’asa amin’ity indray mitoraka ity satria isan’ny tsy ho tafiditra ao anatin’ny 35.000 mandray solon-karama avy amin’ny Fanjakana intsony, ilay antsoina hoe “Subvention”.

Eo amin’ny 80.000 isa ireo mpampianatra Fram manerana ny Nosy, ka hevero fa 8.000 ihany no raisin’ny Ministeran’ny Fanabeazana ho tena raikitra fa mpiasam-panjakana amin’ity taona ity. Fanilihana mpiasa efa nahazo asa izany ary manampy isa ireo 4 Mi sy ny mpirenireny rehetra ireny. Vokany, mety hitombo isa ny mpangalatra rehefa tsy misy ny asa. Tsy maintsy mi-Bàbà ny ankohonana, hoy ny fitenin’ny Tanora izay ary ny tsinay tsy mba vatsy. Tsy sanatria manome vahana ny fangalarana akory fa rehefa tsy mahita harapaka ny olona dia teren’ny sain-dratsy hanao ny tsy fanao. Iza no omena tsiny? Ilay FANJAKANA NAMITAKA sa ireo voaterin’ny tsy fisiana tsy fidiny? Aleo isika ihany no mamaly azy.

Zava-doza koa fa hiakatra ny tahan’ny mpivaro-tena, ho betsaka ny ankizy lasa mpangataka dia alaivo sary an-tsaina ny fahoriana iainan’ny vahoaka amin’izay fotoana izay. Fita-bitro ara-bakiteny no ampiharin’ny fitondrana ary tsy tokony hadinoiny fa maro amin’ireo mpampianatra Fram ireo ange no nifidy azy, nanantena fa hiakatra ambonimbony ny fari-piainany. Kinanjo rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny filoha Rajoelina dia nitodiany lamosina izy ireo (FRAM), vao maika aza nateliny hatramin’ny asa fivelomany izay tokony hamelomana ny tokantranony na dia tsy tonga lafatra aza. Ny vahaolana dia mahaiza misafidy ry vahoaka aoriana fa aza sodokan’ny kobaka am-bava sy fisehosehoana ivelany fotsiny.

Mbola olana tsy voavaha ihany koa ny resaka tsy fampandoavam-bola ny Ray aman-dreny amin’ny fampidirana ny zanany an-tsekoly. Natao nanakoako sy nahoraka fa tena mitsinjo ny vahoaka ny filoha Andry Rajoelina, ka maimaimpoana avokoa ny fampidirana ny ankizy any am-pianarana. Ny zava-misy anefa ary tsy noforonina fa ny teo ihany no teo, i Kotozafy ihany no Leksisy satria ny “Droit D’Entrée, Inscription” no lazaina fa tsy aloa fa ireo pitsompitsony kosa, toy ny Fram sy ireo karama hoan’ny mpiambina ny sekoly ary ireo vola ilaina hikojakojana ny toeram-pampianarana dia takiana aloan’ny Ray aman-dreny, izay marihana fa tsy mifankaiza amin’ny vola aloa (Droit d’Entrée) takiana amin’ny Ray aman-dreny. Voafitaka koa ny ray aman-dreny tamin’ity indray mitoraka ity. Ny ho avinao mihitsy no voakitikitika, ny ain-dehibenao mihitsy izao no voatsindrona ka aoka samy handinika sy ho mailo amin’izay.