AVY AIZA IREO VOLA?

Avy aiza ireo vola kasaina hampiasaina
Amin’ity tetikasa tsy mazavazava?
Ny anarany foana no hindrahindraina,
Kanefa dia tanamasoandro mpandrava!

Na inona hambara ary koa hotenenina
Dia tena ilaina ny mangarahara.
Moa vola maloto ka afinafenina?
(Tena tsy mety ho an’ity Gasikara!)

Taranaka firy no hamerina izany
(Satria ny takalony tsy azo ihodivirana?)
Sa misy harena namidy any ho any,
K’izay ilay afenina fa manahirana?

Ilaina ho mazava ny zava-drehetra,
Fa tsy efa terena vao mody milaza.
Fifampidinihana fa tsy amboletra
No ataovy fa aza mifanahin-jaza!

Tsy fay ihany ve ianareo ry mpitondra?
I Soamahamanina angaha tsy tadidy?
Tsy mahomby intsony ny “lohan’ampondra”
F‘ierao ny vahoaka, aza mandidididy.

Vahoaka no tompon’ilay teny farany
Sady mpitana ny fanalahidy,
Ka aza sandohanareo re ny anarany,
Fa ny vahoaka no masi-mandidy!

DADAN’i RIANA (02-11-19)