Raharaham-pirenena – Kendain’ny frantsay sy ireo vahiny Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Nalaza tamin’ny herinandro teo ny fanambaran’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron fa “Ici c’est la France”, raha nanitsaka an-kitsirano ny Iles Glorieuses ny tenany, izay marihana fa tanin’ny Malagasy madiodio , araka ny fanambaran’ny Firenena Mikambamba tamin’ny taona 1979. Nanaitra ny hambompon’ny Malagasy tsy vakivolo izay teniny izay sady nandratra ny ati-fanahin’ny mpiray Tanindrazana, na ny eo amin’ny fitondrana io, na ny eo amin’ny mpanohitra, fa indrindra teo amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. Misy mihitsy aza no loa-bava manao hoe: itondray EMMO SECURITE na EMMO REG tahaka ny tetsy Ambohitrimanjaka any rangahy ireo mpanani-bohitra amin’ny Nosintsika ireo a!

Ekena ny valin-kafatra nataon’ny fitondrana tarihan’ny filoha Andry Rajoelina ary vonona ny hifanampy amin’izany ny rehetra na iza izy na izy satria fiarovana ny fiandrianam-pirenena, saingy tsy ampy sy tsy mafimafy loatra ilay valin-kafatra, mifono fahatahorana mba tsy ilazana fa fanaovana sarimihetsika. Lasan-kovavany fotsiny mba ilazana fa tena Tia Tanindrazana, hono, kanefa tsy hita izay hafitsoka. Sarontsaronana amin’ny resaka diplomatika na dia efa ataon’ny Frantsay mandray ny kihony sy tena kendainy tsotra izao aza. Ny fananganana vaomiera iombonana handinika ny raharaha dia tsy mitombina intsony satria an’ny Malagasy ireo Nosy manodidina na Iles Eparses ireo, efa hatramin’ny 1979 no nanambaran’ny Firenena Mikambana izany, ka ny tokony hatao izao dia ny famerenana azy ireo madiodio amin’ny Malagasy aloha, mialohan’izay gtokony hatao aminy indray avy eo. Aleo raisin’ny vahoaka an-tanana ny raharaha ahitan’ny Frantsay azy. Matoa mahasahy miteny teny tokony tsy ho lazaina toy ireny ny filoham-pirenena iray dia mazava fa ao raha. Raha filoham-pirenena izany mantsy dia manana ny maha izy azy, ka izay aloaky ny vavany dia heverina fa efa voadinika sy matotra avokoa fa tsy tongatonga ho azy.

Taorian’io indray dia tsy hita tampoka ny solika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Ambaran’ny mpandraharahan’ny solika fa ampy tsara ny tahirin-tsolika tamin’ireny fotoana ireny, fa ny fahataran’ny sambo no nampisy olana. Fa iza moa no mpitantana ny fandraharahana ny tobin-tsolika eto amintsika ? Miainga any amin’ny fanafarana solika io, hatrany amin’ny fitsinjarana izany any amin’ny tobin-dasantsy jifain’ny mpanjifa. Frantsay avokoa no betsaka amin’ireo mpandraharaha ireo. Vaky ny ady eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara raha izao no mitohy. Ny fanatonan’ny filoha Rajoelina, sy ny fiarahany amin’ny Rosiana koa dia tsy ho levon’ny vavonin’ny fitondrana any Paris mihitsy, voalaza tokoa fa efa hatramin’ny fifidianana filoham-pirenena no miaraka amin’ny Rosiana ny filoha Andry Rajoelina, koa tsy mahagaga raha manakenda azy toy izao ny Frantsay. Sady kendain’ny Rosiana tsy afa-miala aminy izy izany izao, no kendain’ny Reny Malala koa, ankoatra izany ireo vahiny hafa nifanaraka taminy tamin’ny tetikasa Tana Masoandro hanotofana tanin’olona tsy ara-drariny.