EDITO 31 Oktobra – Paikadim-bahiny efa nomanina hatry ny ela no tiana apetraka eto

Sôh’son

Mifarana ity ny volana fahafolo amin’ny taona diavintsika ity. Tsy hita mazava ny lalan-komban’ny firenena amin’izay itondran’ny fitondrana Rajoelina izao. Tsy misy sahy afaka hilaza mazava, raha tsy ireo mpanasohaso be fahatany ihany angaha, fa fantany sy azony antoka ny fampandrosoana atao eto amin’ny firenena. Ilay fototra ho enti-miainga mihitsy mantsy no tsy nipetraka mazava hatrany am-boalohany, ka tsy nahavita nampandry saina ny vahoaka tantanina. Fototra izay tsy nifanarahana tamin’ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa mahery, fa noterena sy natao amboletra fotsiny izao rehefa nahazo tohana avy any amin’ny heverina ho tompon’ny tanjaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary tompon’ny teny farany amin’izay tiana apetraka eto amin’ity firenena ity. Io tanjaka nomena avara-patana io no navela hamaritra ny lalan-kizoran’i Madagasikara.

Mikisary fandrebirebena ny vahoaka Malagasy ihany ny zava-misy rehefa tomorina akaiky. Ny ranomasina raha ety amboniny manonja na misamboaravoara, fa ny eo ambaniny tony sy milamina, dia mifanohitra amin’izay ny sary miseho eto amin’ny firenena. Ny eo ambany indray no misavoritaka fa ny any ambony milamina sy miova loko. Ary toy ny tain’omby ihany ny raharaha, na avadibadika eo tsy miova. Misy ny filazana, ohatra, fa hoketrehina ny fiaraha-misôsy amin’ity Nosy izay an’ny tena. Moa tsy efa paikady politika maloto notorontoronin’ny tsy tompon-tany, tsy manana foto-karena sarobidy toy ny ananan’ity Nosy ity, efa hatry ny taona maro izany? Tonga amin’ny fotoana efa nanomanany saina sy novolavolainy izany ny hiborediredehana ankehitriny. Inona no antenain’ny vahoaka Malagasy ao anatin’izany lalao hafahafa sangodim-panina avo lenta izany? Kilalao noforonina haharitra ela no avelatra eo anoloany ary asaina mandray anjara izy na dia nobeazina ho mpitan-damba aza. Atao mafonja ny “dokam-barotra” ao anatin’izany satria mahay ary tompon’izany, araka ny fitenenana, no nasaina hanatanteraka ny vinany. Tsy atao ho mahagaga raha zary mpitazana no betsaka eto amin’ny firenena satria tsy niainga avy any aminy sy avy eto amin’ny firenena ny fikasana kotrehina apetraka eto sy hatao hiainany manomboka izao.