… BAC KADOA ?

Hatramin’ny bac no misy kadoa
Ka dia lasa ny saina ary te hanontany:
Ny bac no lasa entam-barotra koa?
Toa tsy mbola fahita eto ambonin’ny tany!

Ilay hoe fihodinana iray faharoa
Dia akaiky dia akaiky kanefa niniana.
Porofo fa maro ny kitoatoa,
Saingy izay ilay hoe “bac famalifaliana”!

Ezahina afenina ny tsy mirindra
Noho ‘lay fifidianana efa manakaiky.
“Famalifaliana”no lehibe indrindra?
Dia miaiky anareo re ‘zahay, tena miaiky!

Tsy fantatra intsony izay ho fiafarany
Fa dia hafa kely ity “bac kadoa”.
Mpitondra o! meteza handinika ihany.
Mialà amin’izay rehefa tsy mahavoa !

DADAN’i RIANA (27-10-19)