NY BAC 2019 …

Hafa loatra ianao ry bac ka hipetraka ho tantara.
Mbola tsisy toa anao teto Madagasikara,
Fa naningana mihitsy, (toy ireo mpitondra ihany!).
Izay ho “lanjanao” no asa fa dia be no manontany!

Hafa loatra ianao ry bac ka hipetraka ho tantara.
(Na dia maizimaizina aza dia nekena soa aman-tsara.)
Saingy tsy izany ihany f’efatra andro tato aoriana
Dia nasiana famerenana na dia be ireo nanakiana!

Hafa loatra ianao ry bac ka hipetraka ho tantara.
Ny eny ambony dia niteny sady sahy nanambara
Fa tsy avy aminy ny lesoka, (zendana ny iray tanàna!)
Ary tena tsy nekeny ny hametra-pialana.

Hafa loatra ianao ry bac ka hipetraka ho tantara,
Sady tsy hohadinonay fa tamin’ny andron’ny mapara.
Asa na ho “bac solde” na ho inona no anarany
Fa ny ampitso tena mbola hanana an’izay hambarany.

Hafa loatra ianao ry bac ka hipetraka ho tantara.
Mahonena iretsy ankizy mpiadina nandray anjara.
Ny ao anaty fitondrana, tena mbola manta vava,
Saingy moa tsy ao ihany ireo voalavo tia mandrava?

DADAN’i RIANA (26-10-2019)