EDITO 24 Oktobra – Fitondrana Rajoelina – Ny didy jadona no lehibe indrindra

Rajaonarimpanontsana

Fahavalom-pirenena ireo olona manakana ny fampandrosoana“. Io no teny hentitra nambaran’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitsidihany tany Vakinankaratra ny faran’ny heinandro teo. Fa fahotana ve moa ny fiarovana ny taniny namelona azy (Vahoaka) hatramin’ny taona maro nifandimby? Kilasiana ho fahavalo izay mba mitaraina fa voan’ny tsindry hazolena. Manaiky ny fanaovana tetikasa fanamboarana ilay Tana-Masoandro ireo mponina eny Ambohitrimanjaka sy ireo kaominina 3 hafa, fa tsy eken’izy ireo kosa ny famotehana ny fihariany izay miantoka ny fivelomany mandritra ny taona maro nifandimby. Mangataka koa ireo mponina ny hananganana io tetik’asan’ny filoham-pirenena io ho any amin’ny toerana hafa. Tsotra sady tsy hampisy olana na amin’iza na amin’iza raha toa toerana hafa no hananganana ilay Building mora, trano mora, Ministera , ny andrim-panjakana samihafa, fivarotana, kianja filalaovana, hopitaly , fianarana ,sns…

Filàmboatsiary fotsiny no ataon’ny fanjakana manao amboletra ary hanehoany tokoa fa azy ny hery hahafahana mamoritra vahoaka, ka raha misy manohana sy mitsikera dia kilasiana avy hatrany fa “Fahavalom-pirenena”. Didy Jadona ara-bakiteny no ataon’ny fitondrana Rajoelina mahakasika ity raharaha Tana-Masoandro ity, ka tsy maintsy ho totofany ny tanin’olona na inona na inona ataon’ireo mponina voakasik’izany.

Raha tsaroana kely ny tantara tany aloha , dia ity resaka didy jadona ity no niampangana ny filoha Marc Ravalomanana nandritra ny nitantanany ny firenena. Iza àry izao no tena mpanao didy jadona? Alaina an-keriny ny tanim-bahoaka, amidy amin’ny vahiny ny velaran-tany misy ireo harena an-kibon’ny tany any amin’ny faritra maro. Mitohy tsy ankijanona ny fanaovan’ireo mpandraharaha teratany Malagasy na vahiny manondrana ny hazo sarobidy, ny harena an-dranomasina. Somary tsy nandrenesam-peo firy tokoa mantsy ireo voalaza ireo fa naleon’ny fitondram-panjakana norebirebena sy navily ny saim-bahoaka amin’ireo raharaha nafampana toy ny Tana-Masoandro sy fanaovana vato fototra etsy sy eroa, amin’izay tsy misy mahita ny fanaovana gaboraraka ny harem-pirenena izay mbola mitohy izany, nanomboka tamin’ny fitondrana Tetezamita ka hatramin’izao. Izay ilay famitaham-bahoaka manara-penitra.

Fehiny, na tsara na ratsy ny tetik’asa kasaina hatao, rehefa tsy mijery hafa-tsy ny lalan-tokana tsy misy teny ifampierana, ifampidinihana, araka ny lalàna dia Didy Jadona no dikan’izay. Ka amin’ity fitondrana Andry Rajoelina ity, tsy ny fitiavana no lehibe araka ny teny filamatr’izy ireo, fa ny didy jadona no lehibe indrindra.