Ny kandidà Rina Randriamasinoro no mamaly ny hetahetan’ny mponina

“Mila olona tanora izahay, olona Malagasy, olona tena mijery ny fahasahiranan’ny mponina, olona mijery amin’ny maha-nofo sy rà, ary mijery ny tena fahasahiranan’ny ambany tanàna, amin’ity fifidianana ity … Tsy mila vazaha izahay fa olona tena Malagasy, manana fahalalàna, manana fahatakàrana no ilainay hitondra ity tanàna ity”

“Ny hetahetako dia olona afaka mijery ny maha-olona, olona matahotra an’Andriamanitra, olona tia tanindrazana, olona tia ny vahoaka ary mijery vahoaka sahirana, dia olona Malagasy iray rà iray reny mitovy amiko no mba irìko hitantana ny tananan’Antananarivo”

“Izahay dia mangataka mba olona afaka ifampiresahanay vahoaka madinika tanora mahavita azy, matanjaka, tsy ireny vazaha ireny, vahiny”

“Ny heverinay hitantana ny tanàna dia tanora, fa izahay tsy mila metisy vazaha”

“Amin’ny maha-ambany tanàna anay, dia ny tanàna no ambany fa ny foto-pisainan’ny olona eny efa ambony… Izay mila an’izany olona hafa no hitondra anay fa tanora mitovy aminay azonay iresahana, azonay hananana foto-kevitra tsara; afaka atoronay ny zava-misy”

“Misy tanora ao mavitrika ary afaka miserasera amin’ny olona rehetra izay afaka mandimby hitondra ny tanànan’Antananarivo. Maro ny zava-bita eny amin’ny lalankely eny anelakelan-trano ireny. Aminay aleo ilay olona efa teto an-tanàna foana no hitondra an’io, mahalala tsara izany fahoriana any ambany tanàna izany, mahalala izany mirobo-potaka izany fa raha olona izay mbola tonga avy any ka tsy mahalala dia sarotra aminy ny hitondra izany Antananarivo izany”

“Hanentana olona any ambany tanàna sy ny Antananarivo iray manontolo dia ilaina tanora mavitrika tsara, mahafantatra fiainanan’ny Malagasy rehetra, Malagasy ray, Malagasy reny”

Nangonin’i Lanzelo