MAIZINA ANTOANDRO… NOHO NY TANAMASOANDRO…

Niposaka, hono, ny tanamasoandro
Dia ilay tetikasan’ireo mpanambàka.
Toa fambara loza fa maizina antoandro
Ny teny an-tanànan’Ambohitrimanjaka!

Kasaina hototofana ireo tanimbary,
Ireo lemaka maro sy ny heniheny,
Ka indro ny fo fa mandraiky marary,
Mandinika ny hafatr’Ikaky sy Neny !

‘Zay hoe firesahana, fifampierana
Dia tena tsy nisy ary koa tsy natao,
Fa nandidy dia homana ny fitondrana
Ka tonga amin’izao fifandirana izao !

Andaniny, mihetsika ireo tompon-tany,
Manohitra ity tetikasan-jiolahy.
Ankilany kosa, bontolo eny ihany
No mba vahaolan-dry “maty fanahy”!

Dia asa, tsy fantatra izay hiafaràny
Fa mananontanona indray ny “krizy”.
Mba misy olon-kendry va re any ho any?
Avelao ny herisetra ary koa ny ambozizy!

DADAN’i ZINA (20-10-19)