Ambohitrimanjaka – 21 oktobra – Mitohy ny tolona

“Tsy ekenay izany! Aza totofana ny taninay, aza totofana ny tanimbary. Fa io fivelomanay mpiray lohasaha, mpiray donakafo!… Ajanony io asa io dia ajanona ny fitokonana”

“Fambolena sy fiompiana ny asanay ety! 90%. Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Fiombonana, Anosibe Izaivola. Ny avy any Imerintsiatosika tonga aty mikarama. Mifamelona izahay… Afaka mifampiresaka izahay, mifanakalo hevitra fa ny tanimbary tsy azo totofana. Fanotorana ny tanimbary dia famonoana olona”

“Misy fiantraikany be dia be aminay mihitsy raha totofana io tanimbary satria ao ny fivelomanay, io no miantoka ny fiainanay madinika rehetra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy ekenay ny fanotorana. Aiza no hipetraka ireo vahoaka tsy mandady harona ireo?”

“Na ny lalàna àry rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka dia azo ovaina. Noho izany raha ny vinan’ny filohampirenena izay manimba ny fiainan’olona an’alina maro dia mangataka izahay mba hihemotra izy fa izahay vahoaka koa tsy hanaiky mihitsy fa lovanay tamin’Andriamanitra io”

“Olona mponina daholo ireto fa tsy misy voakarama izany. Tsy resaka politika ity fa tena hetsi-bahoaka. Tsy ekenay ny fanaratsiana sy fanambaniana anay aty. Lazaina fa ampahan’olona no mipetraka ety. Tsy ampahan’olona fa mponina ety daholo izahay mianakavy”

“Tsy voakarama izao vahoaka izao, fa vahoaka miaro ny zony. Satria tany ivelomana hatramin’ny naharazana. Lotoina ny tolona fa lazaina TIM mpanohitra ny fitondrana no manao an’io. Mba tianay ahitsy mihitsy ireny hevitra aely amin’ny fampielezam-peo ireny fa ny vahoaka manontolo eto Ambohidrapeto, Ambohitrimanjaka, dia tsy manaiky io fanotofana io. Famonoana olona io.”

“Teraka tamin’ny 1947, miaramila retraite. Matoa aho mijoro eto dia mba hiaro ilay tanindrazako ary izay no nahatonga ahy hanao miaramila. Ka ny teny ataoko amin’ireo mpitandro filaminana ireo dia izao: zanabahoaka nareo ary tsy maintsy hiverina amin’ny vahoaka, fa mba hajao ireo. Matoa ianao manao miaramila dia hiaro ny tanindrazana. Tsy fahavalonao ny Malagasy.”

“Tolona madio no ataonay. Misy anefa ny zanakay nosamborina. Hatramin’izao dia mbola voahidy ao Fiadanana. Mampalahelo anay izany satria tsy nangalatra ireo, tsy namono olona ireo dia nohazonina fotsiny. Koa mangataka izahay raha mba fitondram-panjakana mahalala ny rariny, havoahy ireo ankizy ireo”