EDITO 22 Oktobra – Fiainam-pirenena – Ry mpitandro filaminana, tsinjovy ny vahoaka sy ny tanindrazana

Mazava tsy azo iadian-kevitra ny teny filamatr’ireo mpitandro filaminana, “Ho an’ny tanindrazana”, ny an’ny miaramila, “ Tanindrazana sy lalàna “ ny an’ny zandary, “ Tanindrazana sy filaminana”ny an’ny polisy, ny teny hoe “Tanindrazana “ dia ao foana, raha faritana ara-bakiteny ny tanindrazana dia tany navelan’ireo razana ho antsika taranaka mpandimby, midika izany fa isika vahoaka no tompon’ny harena eto amin’ny tanindrazantsika , tokony hijoro raha misy ny fanararaotampahefana ataon’ireo mpisetrasetra.

Ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy, raha vao mahavita ny fiofanana mialoha ny andraisany ny andraikiny dia tsofina rano eo ambanin’ny fanevampirenena, ilay saina telo soratra fotsy mena maitso no tiana ambara. Manandanja io fitsofandrano io satria, ampitaina eo ny maha zavadehibe ny hasin’ny tanindrazana sy ny lanjan’ireo vahoaka tompon-tanindazana, arak’ilay teny filamatra manao hoe : “ Miaro ny vahoaka sy ny fananany” sy ny hoe “Tandroka aron’ny vozona”.

Tsikaritra anefa nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao, fa mivaona amin’ny teny filamatra matetika ireo mpanao fanamiana mitam-piadiana ireo indraindray, satria toa variana miaro ireo mpitondra, ka zary manadino ny vahoaka tompon-tanindrazana, tompon’ny fahefana. Ny tena manahirana aza dia misy ny fampiasankery amin’ireo vahoaka tsy mitondra hafa-tsy tanampolo, tsy ireo miaramila na zandary na polisy mirotsaka an-tsehatra no tiana entanina f’ireo mpibaiko, satria mazava anie fa mpanantanteraka baiko ihany anie ireny mpitandro filaminana madinika ireny e!

Ankehitriny maro ireo vahoaka sahy mijoro, manoloana ny kiribiby ataon’ny fitondrana hanototra ny tanimbahoaka, koa irariana fatratra ny miaramila sy ny zandary ary ny polisy ho sahy hijoro hiaro ireo vahoaka tompon-tanindrazana, tsy ny fiarovana vahoaka ihany no andrandraina fa ny fiarovana ihany koa ireo mpanao gazety manao ny asany, satria zava-doza ny niseho farany teo dia ny fakana ny fitaovan’ny mpampahalala vaovao. Tsarovy fa ny mpitondra mandalo fa ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka eo foana.

Ny Valosoa