Ambohitrimanjaka – Famotopotorana sarintsariny

Araka ny filazàna momba ny famotopotorana ara-pitondrandraharaha izay nosoniavin’ny ministry ny fanjariana ny tany sy ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, dia tsy manan-tsafidy ny mponina eny Ambohitrimanjaka fa na manao raharaham-pihavanana na esorina amin’ny taniny, izany ho totofana ny tanimbary na tiana na tsy tiana.

Nanomboka ny 14 Jiona 2019 io famotopotorana io, araka ny filazàna nosoniavin’ny ministra ihany, ary nanome 30 andro ireo voakasiky ny didim-pitondrana raha toa ka misy fitsipahana na fitarainana na soson-kevitra mikasika ny tetikasa.

Raha io 30 andro io tokoa no fe-potoana nomena ireo mponina eny Ambohitrimanjaka hitsipaka na hilaza ny fitarainany, dia fohy dia fohy tokoa raha mihoatra amin’ny vokatr’izany tetikasa fanotorana eo amin’ny fiainan’ny ankohonany sy ny ho aviny. Ary olona aman’alina maro sy fiaraha-monina iray manontolo no voakasik’izany.

Manaraka izany dia tsy azo atao hoe nanakoko eran’ny haino aman-jery izao filazàna izao. Noho izany maro no tsy mahalala izay zony. Ny filazàna dia manambara koa fa tsy maintsy nosokafana teny amin’ny kaominina, distrika sy faritra ny kahie handraisana ny fitsipahana na fitarainana avy amin’ireo olompirenena mahatsiara voakasiky ny tetikasa. Mba firy ireo nahalala izany? Atao fa raha nisy ny fampielezana momba io filazana io dia kahie maromaro mihitsy no feno.

Tsikaritra koa tamin’ny filazàna fa nisy tefy maika ihany ny fanasoniavin’ny ministra azy ity satria daty 14 Jiona 2018, no eo ambonin’ny soniany. Sa efa fikasàna hatramin’ny fampielezan-kevitra tamin’ny herintaona ny hanotorana an’Ambohitrimanjaka ka tsy hay intsony na 2018 na 2019 ny daty anio?

Mbola nitohy am-pilaminana aloha ny fitokonana androany faha-21 oktobra ary tsy manaiky ny fanotorana ny tanimbariny aloha ny mponina hatreto. Ny fitondrana etsy ankilany manohy ny di-dohany amin’ny fanorenana tetezana hanatanterahana ny asa fanotorana.

Toa tian-kano tsy tian-kano ity tetikasa Tanamasoandro ity!

Nangonin’i Lanzelo