Nandao antsika i Fafah!

Dadah Mahaleo:

Nandao antsika ilay rahalahy sy namana tsy foy rehefa nahavita ny fihazakazahana tety an-tany, i FAFAH ilay sangany tamin’ny feo tao amin’ny tarika Mahaleo sy teo amin’ny sehatry ny kanto eran-tany.

Efa narary elaela ihany saingy efa nihatsara. Izany no nampazoto azy ary nahafaly azy hoe mba hiaraka izahay na dia hira vitsy ihany no ho ataony. Izany no nahatonga ny hetsika faradoboka natao tany Antsirabe sy teto Antananarivo. Noraisina daholo ny fepetra rehetra mba tsy hamizana azy, na ny teo amin’ny fitaterana, na ny trano nipetrahany, na ny fomba iakarany an-tsehatra… Na ny mpitsabo mpanara-maso aza teo hatrany ; toy izany koa ny dokotera vadiny.

Saingy ny fikasana an’olombelona ihany fa Andriamanitra no mahalala ny lalana tiany hitondrana antsika. Tsy afaka niakatra an-tsehatra izy tamin’ny ora farany. Andro vitsy taty aoriana voatery naiditra hopitaly.

Lasa izy namonjy ny toerana nomanin’ny Tompo ho azy eo anilany. Ny finoana ny fisian’ny fiainana mandrakizay aorian’ny fahafatesana no mampahery sy mampitraka antsika na dia torotoro aza ny fo.

Isaorana ny Tompo ny nanomezany antsika nandritry ny taona maro. Misaotra an’i FAFAH amin’ny soa, ny tsara ary ny mamy navelany ho an’ny ankohonany, ho anay mpanakanto rehetra namany, ho an’ny mpankafy rehetra, ho an’ny tanindrazana.

Miara-ory amin’ny fianakaviana ary mampahery fa tsy maty izy akory fa mbola matory…

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Dadah

FB 24h Mada