Ambohitrimanjaka voadinika daholo – Ministra Hajo Andrianainarivelo – Miantsy ady sy manao tsinontsinona ny antoko TIM

Raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny ministry ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, dia naneho ny heviny momba ny antoko TIM araka izao:

“Mpanohitra anie ny antoko TIM e. Dia mazava ho azy izany ny antoko TIM hanao izay tsy hahavitan’ny tetikasan’ny fanjakana. Izay ilay fanoherana tiany atao. Tsy araka ilay teneniny hoe izahay dia manohitra hanatsara zavatra.

Fa androany anie izy, tsy manana vaha-olana ho entina ilay solombavambahoaka e, fa manohitra manao bontolo fotsiny. Satria hoe tetikasan’ny filohampirenena io dia ndao toherina ilay izy.”

Tsy vitan’ny somary nanao tsinontsinona ny antoko TIM ny ministra Hajo Andrianainarivelo fa mandrangitra toy ny ministry ny serasera koa.

Etsy akaiky dia mifanohitra ny filazan’ny ministra Hajo Andrianainarivelo sy ny ministry ny tontolo iainana, Alexandre Georget, avy ao amin’ny governemanta iarahany ihany, izay niala tsiny tamin’ny tsy fahaizany nitondra ny tetikasa.

Nanamafy ny ministra Hajo Andrianainarivelo fa tsy manomboka ny tetikasa raha tsy vita by fanonerana sy fifanarahana amin’ireo tompontany sy tompon trano.

Volan’ny fitondrana madiodio hono no hanatanterahina ity tetikasa ity, ary niarahana nifampidinika tamin’ny manampahaizana Malagasy sy vahiny, handinihana ny fomba anatanterahana azy. Voadinika tao anaty izany ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena sy ny fikorianan’ny rano ary ny fivoahan’ny rano manodidina ny tanàna.

Mahagaga anefa fa tsy hita taratra mihitsy izany rehetra izany fa toa miafina tsara.

Nangonin’i Lanzelo