OJM sy CRIMAD – Manameloka ny fanitsakitsahana ny asa fanaovan-gazety nataon’ny mpitandro filaminana

Nangonin’ny Ny Valosoa

Taorian’ny fisamborana notanterahan’ny mpitandro filaminana teny Ambohitrimanjaka ny alakamisy hariva, dia nisy ireo mpaka sary an-gazety no voatositosika sy nalaina an-keriny ny fakan-tsariny ary mbola nofafana ihany koa ny sariny.

Noho izany dia manameloka tanteraka izany fanitsakitsahina ny lalànan’ny fanaovan-gazety izany ny Crimad (Collectif des Reporter d’Image de Madagascar) sy ny OJM (Holafitry ny Mpanao-gazety eto Madagasikara), satria ny mpitandro ny filaminana tokony hanaja ny lalàna indray no mandika izany, hoy ny fanambarana izay nataon’ny Filohan’ny CRIMAD sy ny Filohan’ ny OJM: Rakotondrazaka Hery sy Rakotonirina Gerard.