Ambohitrimanjaka – Ho hamafisina ny herim-pamoretana (EMMOREG)

Taorian’ny fifandonana teo amin’ny mponina sy ny mpitandro filaminana teny Ambohitrimanjaka ny alakamisy 17 oktobra dia nanao fivoriana tsy ara-potoana ny ampitso teny Tsimbazaza ny OMC na Organe Mixte de Conception, izay tarihin’ny prefen’Antananarivo, jeneraly Angelo Ravelonarivo.

Tapaka nandritra izany fivoriana izany fa ho hamafisina ny fiembenana sy fiarovana ny toerana voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro. Hisy araka izany ny toerana izay ho sakanana tanteraka amin’ny fivezivezena. Ary voalaza koa fa ho samborina ireo olona rehetra “niketrika iny fanakorontanana iny”.

Hihenjana izany ve ny tady? Hitohy izany ve ny fanotorana sy ny tian-kano tsy tian-kano?

Ma-laza rohy