Gazety mamely gazety amin’ny lainga? Izay ve sisa no paikady?

Mamoron-dainga indray ny gazetin’i Lalatiana (Free fake news) izay manendrinkendrika tsy misy porofo ny antoko TIM na ny gazety Ny Valosoa, fa nikononkonona teti-dratsy nahatonga ny sakoroka teny Ambohitrimanjaka omaly alakamisy 17 okobobra.

Marihina aloha hatreto fa tsy nivohy afa-tsy vaovao misy loharano mitombina ny gazety Ny Valosoa, na momba ny tetikasa Tanamasoandro eny Ambohitrimanjaka izany, na momba ny fihetsehampon’ny mponina eny. Fanelingelenana ny tetikasan’ny fitondrana manitsakitsaka ny zon’olombelona ve no mahatonga ny gazetin’ny ministry ny serasera mamoron-dainga? Angatahan’ny mponina ohatra mba ho lazaina hoe izy ireo efa nolazaina fa nandray vola nivarotra tany izany, izay tsy fantatra aloha ankehitriny. Milaza izany ve ny gazetin’i Lalatiana?

Tsy ny gazetin’i Lalatiana mihitsy no hitatitra izao teny naton’i Prisca Ranjalahy izao:

Nofafana ankeriny ny sary azon’ny mpanao gazety

Tsy nisy mpanao gazety nanembatsembana asa mpiandro ny filaminana mihitsy teny Ambohitrimanjaka azafady tompoko. Ary tsy izahay sy ny mpaka sarinay irery no teny fa lasibatra ihany koa ny an’ny l’Express. Aleo aza tantaraiko.
Vao tonga teny Ambohitrimanjaka izahay teo amin’ny tetezana dia nahita kodiarana nirehitra. Tsy maintsy nijanona aloha izahay satria nahery NY afo. Hitan’ireo mpitandro ny filaminana fa mpanao gazety daholo . 4 mianadahy ary mpamily iray. Nidina izahay. Dia hoy ilay mpamily hoe aleo entina miala ny afo ny fiara. Dia hoy ireo zandary teo hoe ”mandroso fa tsy maninona. Mandeha mafimafy fotsiny”. Teo izahay dia efa hitan’izy ireo ary fantany hoe mpanao gazety fa tsy nisy olana. (Ils ont coopéré même). Ohatrany nisy hazakazaka sy kirodokirodo izany. Dia hoy ilay namako hoe ”hanao opération ireto fa andao hiala lavitra”. Dia Izaho sy ny namako moa saika nidina nankany ambadiky ny fatam biriky fa hoy ireo zandary hoe ”miampità fa tsy maninona” (satria NY fiara no niampita ny afo teo fa zahay mbola nivorivory saika hiresaka). Niditra tao anatin’ny fiaranay (izay niantsona teo amin’ny toerana nasain’ireo zandary nametrahana azy izahay) izahay vehivavy (efatra). Ireo mpakasary kosa teo ivelany fa tany amin’ny sisiny niatrana niaraka tamin’ny fakatsary. Raikitra arrestation lehilahy iray nanao akanjo mena. Sivily. Nijoro tsy lavitra anay(50metres angamba). Naka sary ireo namanay. Tonga dia nioraka izay mianakavy no sady nibetroka hoe ”hey lay sary e! Ajanony ilay sary” Ary toa ohatran’ny pakasarinay indray no jiolahy sary nitandroka azy ilay nanao cagoule. Nitangorona teo aminy daholo ireo zandary. ”Fafanlah ireo sary ireo!!” dia hoy ny pakasarinay ”Sefo a,nirahina niasa aho aty. Mpanao gazety aho”. ”Tsy misy irarahinay an’izany fa fafao ireo aingana lah”. Nitambaran’izy ireo ilay pakasary. ”Sefo a! Mpanao gazety aho. Tsy afaka mamafa ireo sary aho sefo..”Nalain’izy ireo ilay appareil dia nofafany daholo ireo sarin’ny arrestation.”

FB Fleury rohy

Misy sosokevitra koa ity ho an’ny gazetin’i Lalatiana raha hamoaka vaovao marina, izay fanambaràna avy amin’ny CRIMAD sy ny holafitry ny mpanao gazety, mifanaraka ihany amin’ny tranga teny Ambohitrimanjaka omaly:

Fanambaràna

Taorian’ny fisamborana notanterahan’ ny mpitandro ny filaminana teny Ambohitrimanjaka omaly hariva dia nisy ireo mpaka-sary an-gazety no voatositosika sy nalaina an-keriny ny fakan-tsariny ary mbola nofafana ihany koa ny sariny .

Noho izany dia manameloka tanteraka izany fanitsakitsahina ny lalànan’ny fanaovan-gazety izany izahay Crimad (Collectif des Reporter d’Image de Madagascar) sy ny OJM (Holafitry ny Mpanao-gazety)satria ny mpitandro ny filaminana tokony hanaja ny lalàna indray no mandika izany.

Ny Filohan’ny CRIMAD sy ny Filohan’ ny OJM Rakotondrazaka Hery sy Rakotonirina Gerard

FB 24H Mada