SEHATRA MPANARA-MASO ?

Sehatra mpanara-maso, izay no anarana isalorany.
Toa tsy antoko politika raha jerena sy tombanana,
Fa ny fomba amam-panaony sady tetika ifotorany
Dia maneho fa misy “akama” izay heveriny hotohanana.

Sehatra mpanara-maso no anarana iafenany,
Ary dia ny manakiana no talenta tena ananany.
Ireo tsy tiany dia lotoiny tsy hahita izay hiarenany,
Ary ny olony sy akamany dia hajainy sy tantanany.

Sehatra mpanara-maso, tena anarana manaitra.
(Miafina ao ny akamakama tsy nahomby tany ho any.)
Raha jerena ety ivelany, toa akanjo tsara zaitra,
Kanjo nony injay hatonina, tena ny tranainy ihany.

Sehatra mpanara-maso, misy koa ny zandrinjandriny,
Tonga mba hampiaka-peo sy hanatevina laharana,
Ary maika, tena maika f’efa mila tsy ho andriny,
‘Zany hanan-toerana avo mba ho valin-kasasarana.

Sehatra mpanara-maso , mahagaga ny mpitazana.
(Manampahefana maro , tena tao no niandry seza!)
Saingy niova sy nivadika ho mpivaro-tanindrazana,
Nony injay nahazo toerana ka nanomboka ho ngeza.

Sehatra mpanara-maso , izay no voizina eny ho eny,
Kanjo hay tsy hafa akory f’io dia “efitra fiandrasana”.
Ao ny ngeza no miery , tsy mitsahatra miteny,
Mandra-piandry ilay atao hoe “toerana ifandimbiasana” !

Sehatra mpanara-maso, ‘ndeha jereo ireo niainga tao
Fa ao anaty fitondrana izay mijoro ankehitriny.
Aoka ho menatra ianareo fa be no tsisy kalitao,
Voavidim-bola sy efa tena kilalaon’ireo vahiny !

DADAN’i ZINA (12-10-19)