Ambohitrimanjaka – Ministry ny tontolo iainana – “Miala tsiny amin’ny tsy fahaizanay nitondra ity dosie ity … amin’ny anaran’ny governemanta”

Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety ny solontenan’ny depiote Analamanga, Hanitra Razafimanantsoa, androany 18 oktobra 2019, mikasika ny tranga teny Ambohitrimanjaka omaly izay nisehoan’ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mponina, niarahana fampisamborana ary nahitàna olona naratra mafy.

Nanambara ny depiote Hanitra Razafimanantsoa fa tsy mety raha tetikasa goavana tahaka izao no manomboka amin’ny fandatsahan-drà. Very hoy izy ilay fifanajana samy maha-malagasy ka ny tompon-tany, mpamboly, mpivelona amin’ny tanimbary iharan’ny herisetra, ary torak’izany ireo mpitandro filaminana irahina izay mandeha tsy fidiny. Nanameloka tanteraka ny fifamonoana samy Malagasy ny tenany.

Nampatsiahiviny ny tenin’ny filohan’ny Antenierampirenena nilaza fa tsy misy afa tsy ny fifanantonana ary ny fitadiavana ny marimaritra iraisana ihany, satria samy manana ny tombontsoany daholo na ny fitondram-panjakana na ny tompontany.

Notsindrìn’ny depiote koa fa tsy mety ny mamafy lainga na manao désinformation. Misy tomponandraiki-panjakana mihitsy no manao désinformation ary mamoaka mihitsy izany amina gazety (izay zary lasa gazetim-panjakana, ndlr Free News) mamoaka sary mampihoron-koditra ary indrindra mampiseho ratra sy rà, ary mamafy lainga ambonin’izany fa ny antoko TIM no ao ambadiky ny sakoroka. Misy vahoaka maro be hoy izy eny Ambohitrimanjaka, mponina avy amin’ny distrika telo no voakasiky ny tetikasa, ary misy avy ireo nifidy TIM, na IRD na hafa koa, misy koa ireo tsy nifidy, izany hoe vahoaka Malagasy.

Ankaotr’izay, nisy ny fihaonana tamin’ny ministra misahana ny tontolo iainana izay nilaza mazava ary niala tsiny tamin’ny tsy fahaizany nitondra ny tetikasa. Ratsy hoy izy ny fomba nitondrana ny tetikasa ka amin’ny alalan’ny governemanta no nialàny tsiny.

Ka raha ny tomponandraikitra amin’ny tetikasa aza efa manaiky ny lesoka teo amin’ny fanombohana ny tetikasa, nahoana ny tomponandraikitry ny seraseram-panjakana indray no mandrangitra sy mampiady, ary manendrikendrika ny hafa.

Rehefa tsy nety ny fametrahana ny tetikasa dia azo atao tsara hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ny mamerina ny fifandinihana sy fifampiresahana, miverina ambony latabatra. Tsy misy tsy te-handroso na hanana ny soa hoy izy, fa ny fomba fanaovana azy no mila fifanajàna. Misy fombafomba sy ambaratonga daholo, ary marimaritra iraisana no tadiavina. Izay no maha-malagasy antsika, hoy izy namarana ny teniny.

Nangonin’i Lanzelo