MIVORY INDRAY…

Mivory indray ireo tsy mamboly nefa voky, tena voky,
Dia hamitaka olo-maro sady mbola hisoloky
Fa hoe mpiaro ny vahoaka sy ho mpitondra ny hetahetany.
(Izany, hono, no imasoany sady asa iandraiketany !)

Kanjo tena tsy izay ny zava-misy tato ho ato,
F’izy ireo ilay vilam-bava nefa te hitari-bato.
Mody hoe ny firenena sy vahoaka no hotompoiny,
Kanjo indrisy fa ny paosiny, io hatrany no fenoiny !

Toa tsy henony ireo antson’ny vahoaka sy tomaniny,
Izay alana an-terisetra ka totofana ny taniny.
Miady izay ho tombontsoany, izay no tena imatesany.
(Tsy araka ny seho ivelany sy ny fomba amam-piresany !)

Mivory indray ireo tsy mamboly nefa mihinana, miletra.
Toa tsy mahalala voky sy tsy mahalala fetra.
Leo tanteraka ny maro ny amin’ny olona toy ireo,
Ka miakatra ny maripana, toy izany koa ny feo.

DADAN’i ZINA (18-10-19)