Ambohitrimanjaka – Depiote Mamy Rabenirina – Mahavita 2.000 ha ny vola hanotofana io tanimbary io raha ohatra ka miala amin’io toerana io

Nihazakazaka be ny tetikasa Tanamasoandro kanefa tsy nanaraka ny endrika sy dingana ara-dalàna amin’ny fanatanterahana tetikasa. Ohatra eo amin’ny fampahalalàna ny tetikasa, eo amin’ny fifampiresahana, eo amin’ny fananganana ny comité technique d’évaluation, eo amin’ny fanaovana étude d’impact rehetra. Tsy nisy nivoaka afa tsy ny maquette Tanamasoandro

Rehefa nodinihina ohatra ho an’i Ambohitrimanjaka tany amin’ny cahier de consultation publique, dia 100% no nandà ny tetikasa. Tsy nisy ny fandraisan-kevitra avy amin’ny vahoaka fa nanjary tian-kano tsy tian-kano.

Izahay efa niteny foana fa tsy ny tetikasa Tanamasoandro no ratsy fa aleo tsy eo amin’io toerana io, noho ny antony maro technique, économique,… Na ny panneau de chantier aza tsy misy, ka raha vao tonga ny mpitatitra vato dia taitra ny vahoaka. Tsy nisy ny fifampiresahana fa toa tonga dia fanotofana no nanomboka. Dia ireny no zavatra nitranga. Tetikasam-panjakana goavana toa io ve vao manomboka dia hifamono sy hifanenjika sy hifampisambotra.

Aleo mifampidinika fa mahavita 2.000 ha ny vola hanotorana io tanimbary io raha ohatra ka miala an’io toerana io.

Nangonin’i Lanzelo