Ambohitrimanjaka – Hisy rà latsaka raha mikiry biby ny fitondran-dRajoelina

Hatreto dia manamafy ny mponina eny Ambohitrimanjaka fa tsy hanaiky ny hanotorana ny tanimbary ary tsy hifindra any Bevoay.

“Izahay eto amin’ny kaominina Fiombonana sy Ambohitrimanjaka Ambohidrapeto Ankadimanga, tsy manaiky ity fanotofona izahay satria hatrany amin’ny madinika kely indrindra aza mpaka foza orana, mpaka trondro, mpiompy trondro, mpamboly”.

“Ho anareo izay miteny hoe nandray vola izahay tsy nisy nandray vola. Tsy voavidy vola ireo olona ireo tsy ekenay mihitsy na ho faty aza izahay. Dia tifiro raha tifirinareo fa izahay tsy manaiky ny tanimbarinay ho totofana tompoko o”.

“Atsarao ny fiainan’ny olona fa aza terena hifindra monina any Bevoay, tanàna tsy fantatra.”

“Ahoana izahay no avadika any Bevoay? Tanindrazanay ity, tsy ekenay ny hanotorana azy, na misy rà mandriaka àry. Tsy manaiky Ambohitrimanjaka.”

“Tsy ny tanimbary ihany no ho totorana fa ny fari-bohitr’Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, hatreny Imerintsiatosika no hanotorana ity tanimbary ity.”

“Lazaina Ambohitrimanjaka fa efa nandray vola. Ento mankaty izay olona efa nandray vola mba jerenay hoe iza marina ilay olona nandray vola; olona avy aty Ambohitrimanjaka ve?”

“Efa notolorana soson-kevitra ianareo miaraka amin’ny solombavambahoakanay fa misy tany omena anareo ankoatran’io. Maninona no tsy maintsy io tanimbary io ihany? Fa ny olona dia efa vonona fa hisy rà latsaka eo raha mbola mikiry biby amin’io.”

“Raha misy sinoa na karana hametraka miliara ao, roa ihany ny zavatra mety hisy: na soloinao ny volany nosamborina na misy tombontsoa azony eo, ohatra ampanofainy ny trano namboarina hisy tombom-barotra ho azy, na omenao volamena ery Soamahamanina, mila fantarina koa izay. Ary tokony vao lany ny filoha dia efa natomboka ny fanadihadìna technique, socio-économique, environnemental, financier, hoy ny enjeniera Hajanirina Andrianarivelo.

Kaominina Ambohitrimanjaka

Toerana ambolena sy iompiana, iveloman’ny mponina miisa 43.642 anaty fokontany 25.
1.100ha no velaran’ny tanimbary, 856ha tanety, 18.600 42,61% mpamboly avokoa, mivelona amin’ny fambolena vary, mangahazo, saonjo, sns.
25.000 na 64,97% no mivelona amin’ny fiompiana toy ny gana, akoho, gisa, omby, kisoa ary ny fiompiana hafa ihany koa.
1.630 na 3,73% no mivelona amin’ny asa fanaovana biriky.