Filoha Ravalomanana sy 13 oktobra 2014 – Fitiavan-tanindrazana no niverenany an-tanindrazana

Andry Tsiavalona

Taorian’ny fanasoniavan’ny mpisehatra ara-politika eto Madagasikara ilay « Tondro Zotra » natolotry ny vondrona iraisam-pirenena dia nikasa ny niverina teto Ravalomanana Marc.
Iaraha mahatadidy fa namolavola ilay « Tondro Zotra » ny vondrona iraisam-pirenena nentina namaha ny olana ara-politika nisy teto amin’ny firenena taorian’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Tsy voafetra ho ny olana tamin’iny vanim-potoana iny ihany anefa ny voarakitra tao, fa hatramin’ny olana nitranga ny taona 2002 ihany koa. Anisan’ny nisongadina tao ny momba ny fahafahan’ireo mpanao politika nanao sesitany ny tenany niverina an-tanindrazana, ka anisan’izany Ravalomanana Marc, sy ny fanonerana ny fananan’izy ireo izay voaroba sy nopotehina. Tsara tsiahivina fa ny Magro sy ny Tiko manerana ny Nosy izay mbola eo an-dàlam-panarenana azy ireo Ravalomanana Marc hatramin’izao na dia eo aza ny sakantsakana ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Satria efa lasa lalàna fototra niainana teto amin’ny firenena ny « Tondro Zotra » dia nanantena izany ny filoha Ravalomanana Marc, naongana ny taona 2009, fa afaka nisitraka izany ary nanana fikasana ny niverina teto an-tanindrazana. Izay nahita ilay boky na horonan-tsary mitondra ny lohateny hoe :« The Return of the President » dia nahita tsara fa efa nahazo tapakila niverenana teto an-tanindrazana Ravalomanana Marc sy ny fianakaviany ary efa niainga tamin’ny fiaramanidina avy tany Afrika Atsimo mihitsy kanefa dia nivoaka ilay antsoina hoe « NOTAM » ka na dia efa nisidina ny habakabak’i Madagasikara aza dia tsy nahazo nipetraka. Iaraha-mahatadidy fa nirodorodo teny Ivato ny vahoaka maro an’alin-kisa nitsena azy. Iaraha-mahatadidy ihany koa ny fanenjehan’ny Emmoreg ny vahoaka tamin’iny fotoana iny. Afaka niverina soa aman-tsara kosa anefa ny Amiraly Ratsiraka Didier izay nihira ilay hira « Je ne regrette rien » teo amin’ny lampihazo natsangana ary nanao « pompes » nanehoany fa mbola matanjaka tsara izy na dia efa ho folo taona nanao sesitany ny tenany tany Lafrantsa aza. Faly tsy nisy toy izany ny mpomba azy tonga nitsena azy, tsy toy ireo diso fanantenana raha nandeha nitsena an-dRavalomanana Marc.

Ampahany tamin’ny tantaram-pirenena anefa iny toe-draharaha iny, ka rehefa nitsangana ny Repoblika IV ary lany ho filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery dia nitsiry indray ny fanantenana teo amin’ny Malagasy, niandrandra ny fiverenan-dRavalomanana Marc indray. Tafaverina tokoa izy ny alatsinainy 13 oktobra 2014 ary nolazaina fa « an-tsokosoko » toy ny nivoahany teto ihany izany. Iaraha-mahatadidy fa nosamborina izy ora vitsy tao aorian’ny nahatongavany teny amin’ny trano fonenany teny Faravohitra ary nalefa “sesitany” tany Antsiranana indray. Na izany na tsy izany dia sahy nanambara Ravalomanana Marc fa raha mbola velona sy manana herim-batana ary herin-tsaina koa izy dia vonona hiasa hampandroso an’i Madagasikara ary antony iray nirotsahany kandidà ho filoham-pirenena izany volana desambra 2018.

Arak’izany dia tena fitiavan-tanindrazana no niverenany teto tamin’io 13 oktobra 2014 io. Tsy tambo isaina ary tsy ho voatanisa eto ny fanenjehana sy fanaratsiana azy kanefa azo lazaina fa raha olompirenena hafa no teo amin’ny toerany nanomboka ny taona 2009 dia tsy niraharaha izany firenena izany intsony. Tsy nanana olana ara-pivelomana ary niaina tsara izy tany Afrika Atsimo nandritra ny dimy taona. Raha olona tia tena izy dia ny ho nataony dia ny nitaky ny onitra tamin’ny fandrobana ny fananany kanefa tsy izay no nataony fa mbola tao am-pony ilay fitiavana ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazany izay anisan’ireo firenena dimy mahantra indrindra maneran-tany. Azo lazaina fa tsy misy manana fitiavana ny fireneny toy izany satria ho an’ny olombelona dia ny fitiavantena no mibahana ao an-tsainy, ka rehefa milamina ny fiainany dia tsy ahoany izay manjo ny mpiray tanindrazana aminy. Tsy vitsy ny politisiana gasy milaza ho tia tanindrazana kanefa fitiavan-tena sy fitiavan-tseza no tena ao ambadika ka voaporofon’ny ataon’izy ireo izany.

Dimy taona rahampitso 13 oktobra no tafaverina teto an-tanindrazana Ravalomanana Marc rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny 5 taona tany Swaziland avy eo tatsy Afrika Atsimo ary tsy nitsahatra ny nikatsaka ny fomba sy ny hevitra rehetra hampandrosoana sy hanafahana ny firenena ao amin’izao loza mihàtra aminy amin’izao.

Tiany tokoa i Madagasikara araka ny teny filamatry ny antokony.