EDITO 15 Oktobra – Raharaha Ambohitrimanjaka – Tsy soatoavina malagasy ny famindran-toerana amboletra

Sôh’son

Hinia mikimpy eo anoloan’ny fitarainan’ireo mponina eny Ambohitrimanjaka ve ny fitondrana Rajoelina? Mponina izay ho very tanimbary, tanindrazana, toeram-ponenana. Ny fahitana azy, fandratrana ny mponina, ny vahoaka Malagasy sy ny firenena izao zava-mitranga eny an-toerana kasaina hanatanterahana tetikasa Tana-masoandron’ny fitondrana izao. Maratra satria toerana efa nahalatsahan’ny tavony, nanankinana ny fiainana manontolo ary tsy nandalo niserana na kely akory tao an-tsaina ny hiala eny, no terena amboletra ankolaka hialàna eny. Ny Malagasy, ary raha mbola Malagasy ihany koa, dia tsy kolontsainy tsy soatoaviny, velively izany handao ny taniny izany. Fahoriana ho azy ny manao izany ary miteraka alahelo ao anatiny, indrindra raha tsy safidiny, eny raha tsy safidiny aza fa noho ny antony tsy azony anoharana intsony vao manao izany izy. Eto anefa, tsy nifampierana taminy akory ny fanesorana azy eny amin’ny tanànany, miendrika amboletra ihany izany. Manaporofo izay ny fisian’ireo mpitandro filaminana mankeny an-toerana, izay miendrika fampihorohoroana ireo mponina manohitra ny fanotofana ny tanimbariny.

Etsy ankilan’izany, tsy miahotra ny solontenam-panjakana izay ahenoina feo amin’izany milaza fa hafindra any an-toeran-davitra, any Bevoay, ireo mponina tantsaha mpamboly ireo. Koa maninona tsy ilay tetikasa sy ny olona ketrehina hipetraka ao anatiny no nitadiavan-toerana tany ivelan’Antananarivo tany, fa ireo mponina ireo? Inona no ambadik’izany? Ho an’ny mpandinika sasany, dia tena miendrika fanilihana ankolafin’olona eto amin’ny firenena mihitsy izao toe-javatra eny Ambohitrimanjaka izao. Ailika alefa maka toerana any amin’ny « sisiny », fa ny « laka » omena ny mpanambola, hoy izy ireo.

Ny vahaolana atolotry ny fitondrana hatreto dia tsy maharesy lahatra ny mponina. Mazava loatra fa tsy maintsy ho izay satria tetikasa tsy ampy fandalinana sy fiheverana ny hafa. Raha mitsinjo ny vahoaka marina dia tsy ho notanterahina teny io tetikasa io, fa fanatsarana ny tany fambolena sy ny fiompiana, mba hampitombo ny vokatra eny, ka hahatsara ny fari-piainan’ny vahoaka aza no nifoforana mafy. Tsy hampiova n’inona n’inona amin’ny fari-piainany sy ny fihariana ataon’ireo mponina ireo ary tsy hampitombo na hanatsara ny maha izy azy velively anefa ny vahaolana famindrana azy ireo any amin’ny toeran-kafa.

Mahakasika ity raharaha ity, mitohy hatrany ny hetsik’ireo vahoaka tsy manaiky ny hanotofana ny tanimbariny. Nifarana teo amin’ny fefiloha atsimon’Ikopa manandrify ny barrage ampitan’ny art-malagasy ny hetsik’ireo vahoaka mivelona amin’ny tanimbary eny Ambohitrimanjaka, Ambohidrapeto, Ankadimanga ary Fiombonana, ny faran’ny herinandro teo. Niampy ireo fokonolona monina eny amin’ny fokontany Anosibe-Izaivola ireo nanao fihetsiketsehana. Tsy navela niampita ny tetezana Ambohitrimanjaka izy ireo tamin’izany, izay marihana fa vahoaka maro be sesehena tokoa.