Jirama – Fitondrana Rajoelina – Handroso sa hihemotra?

Hanatanteraka ny fivoriambe isantaona ny Banky Iraisampirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) ny alatsinainy izao 14 Oktobra ka hatramin’ny alahady 20 Oktobra.

Ho voaresaka amin’izany ny fitohizana na ny fampiatoana ny famatsiambola ho an’ny fitondrana Rajoelina.

Raha tsy manaraka ny tondrozotra napetraky ny BM hanarenana ny orinasa Jirama ny fitondrana Rajoelina dia ahiana ho tapaka ny famatsiambola.

Io tondrozotra io dia mamaritra fa any amin’ny taona 2023 any vao tafavoaka amin’ny fanampiana ara-bola lava reny ny orinasa Jirama raha toa ka mampisondrotra ny vidin’ny herinaratra ho 0,20$ raha 0,15$ ankehitriny. Ary voasoritra amin’izany koa ny fanonerana ny trosa ananan’ireo mpamatsy herinatra. Tsaroina eto manokana ny fanefan’ny fitondrana Rajoelina ny mpamatsy solika Jovena amin’ny maha-akamakama azy amin’i Hassanein Hiridjee (rohy).

“En 2019, 80% de la subvention de l’Etat à la Jirama a été versée à une seule entreprise qui représentait 35% des arriérés fournisseurs de la Jirama, la société Jovena, dont le patron Hassanein Hiridjee a pu négocier cet accord avec le sommet de l’Etat” (LOI, 4/10/2019).

“Culture du privilège”?

Ka raha manaraka ny tondrozotra ny fitondrana dia ho ratsy endrika amin’ny vahoaka satria hampitombo indray ny fijaliany, ny fiainany rehetra àry ity efa tsy mandeha amin’izay laoniny, ny vidin’entana PPN, ny fahatapahan’ny jiro sy rano, sns… dia mbola ho vesarina fampisondrotana jiro sy rano indray atsy ho atsy. Tsy hanaraka koa anefa dia tapaka ny famatsiam-bola.

Ka handroso sa hihemotra?

Lanzelo