Hassanein Hiridjee sy Andry Rajoelina – Mitohy ny akamakama

Trosa miavosa tsy hita pesipesenina no vesarin’ny fanjakana amin’ireo mpamatsy solika. Efa niangona nandritra ny taona maromaro ny solika nojifaina tamin’ireo mpamatsy kanefa tsy naloa vola, izany dia mba hampandehanana ny orinasa Jirama. Hany ka niangona foana ny trosa.

Isany mpikambanana mpamatsy solika eto Madagasikara ny Jovena, Total, Vivo, Galana ary LPSA. Ny Jovena dia orinasa mpamatsy ao anaty ny vondrona Axian, izay tantanan’i Hassanein Hiridjee. Teo anivon’ireo mpamatsy maro ireo dia niangaran’ny fitondran-dRajoelina ny Jovena ka namerenana trosa mitentina 110 alinisa ariary (26,3 tapitrisa euros) tamin’ny volana Aogositra teo.

Tsikaritr’ireo mpamatsy sasany izany fiangarana izany ka ny Galana no re fa niangavy ny ministry ny fitantanambola mba hamerina ny anjarany koa.

Maro ny akamakama ifanaovan’ireo mpaneofoefon’i Madagasikara ireo miaraka amin’i Andry Rajoelina. Raha vitan’izay ihany dia azo noleferina, saingy mipaka any amin’ny fiainambahoaka amana tapitrisa izay miaina amin’ny vola latsaka ny iray alina ariary isanandro, ary ny foto-pivelomanana toy ny tanimbary mihitsy no voan’ny fandraharahan’izy ireo.

Notsongain’i Lanzelo tao amin’ny gazety Jeune Afrique