Kandidà Rina N°02 Antananarivo – Niainga tamin’ny vahoaka ary hiverina amin’ny vahoaka

Rajaonarimpanontsana

Olona toy ny inona indray no hitantanana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra? Io no fanontaniana mipetraka ao an-tsain’ny maro mialoha ny hiatrehana ny fifidianana ho Ben’ny tanàna. Dimy hatreto no voalaza fa hifaninana eo amin’io toerana io ary roa ihany aloha no hita fa misongadina mampahafantatra ny tenany fa hirotsaka ho ben’ny tanàna. Ao ny mbola miandry fotoana vao mba hiseho mivantana amin’ny mponina, ao kosa ny efa mirotsaka sahady eny anivon’ny boriboritany ka na tsy milaza fa hoe “fidio aho” sisa no tsy atao, satria mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra izao. Misy ny mampanantena sahady fa hampandroso ny tanànan’Antananarivo, miaraka amin’ny toky sy fitaka maimbo rehetra izao, miampy fantsy madinidinika hanaratsiana ankolaka ny mpifanandrina aminy sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Mahafantatra tsara ny vahoakan’Antananarivo fa olona mahalala tsara ity Renivohitra ity, manana traikefa momba ny raharaham-pitantanana ny tanàna, tsy vao miana-draharaha amin’izany sehatra izany, sady niainga avy ao amin’ny vahoaka no mendrika hanarina an’Antananarivo Renivohitra. Rina dia kandidà niainga tamin’ny vahoaka ary hiverina amin’ny vahoaka. Manana kandida tanora ary efa vita sedra ho amin’izany ny antoko TIM amin’ny alalan’i Rina Randriamasinoro. Ankoatra ny fahaizana sy traikefa efa ananany dia mbola nandrato fahalalàna any Eoropa sy Etazonia ny tenany ankehitriny. Midika izany fa feno fahavononana tanteraka hitondra ny anjara birikiny ny lehilahy.

Niainga avy amin’ny vahoaka ny kandidan’ny TIM fa tsy mba niaina tao anatin’ny harena be mihoatra ny hafa izay tsy nahalala fahantrana nandritra ny fiainany, tsy mba nifampikasoka tamin’ny vahoaka raha tsy izao fitondrana sadasada izao, fa tao anatin’ny antsoina hoe fianakavian’ny mpanefoefo eto an-drenivohitra. Ny kandidan’ny TIM tsy mba nanao asana mpandraharaha tsy mitady hafa tsy ny tombontsoan’ny tenany sy ny fianakaviana ary ny orin’asany.

Na dia tanora erotrerony aza Rina Randriamasinoro N°02 , dia ny nanasoa ny tanànan’Antananarivo no nimatimatesany voalohany, nitondrany ny fahaizana noratoviny. Tsy mba notoloram-potsiny na nanao ilay antsoina hoe :”Ratsy tarehy mangata-bady ka ny anaran-dray no enti-mangataka”.