Hiroso amin’ny fanapahan-dalana ny mponina fa tofoka amin’ny fijaliana rano

Nisy fitokonana faobe tao Faravohitra ny talata 8 oktobra teo, izay nandrenesana fe-potoana 72 ora ho an’ny Jirama, izany hoe hatramin’ny zoma, hamahàna ny olana alohan’ny hirosoana amin’ny fanakanan-dalana.

9 volana izay, izany hoe fe-potoana mitovy amin’ny nandraisan’ny filoha ankehitriny ny fitantanana ny firenena, no nijalian’ny mponina ao Faravohitra amin’ny rano, izay mizaka fahatapahan-drano manomboka amin’ny 12 ora alina ka hatramin’ny 6 ora maraina.
Tsy ny mponina ao Faravohitra ihany no mijaly amin’ny fatapahan-drano fa manerana fokontany maro eto an-drenivohitra: Itaosy, efa folo taona; Ampitatafika, 7 taona; Tanjombato, 5 taona,sns.

Tsikaritra koa anefa fa misy koa ny toerana toa ao Ivandry na ao Ankadimbahoaka, izay tsy misy fahatapahan-drano. Misy mihitsy àry ao Ivandry, trano any amin’ny rihana fahadimy mihitsy ahitàna rano mitsitsitra tsara.

Naneho ny hasosorany koa ny mponina eny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsoabolo. Efa herintaona izao ny mponina no tsisy rano. “Citerne 10m3” izay tsy maharaka akory no fenoin’ny Jirama, raha ho tonga àry izany. Milahatra izaitsizy ny “bidons zôna”. Lany ao anaty hadiny enina.

Efa nalaza ihany teo aloha fa “tsy azo hoanina ny lalana” fa ankehitriny dia azo ampiana koa hoe “tsy azo sotroina ny bildina, no sady tsy mamokatra vary”.

Leo ny fitantanana gaboraraka ny vahoaka ary efa maro izay lakolosy nosintomina izay fa sendra ny be marenina. Dia ho hita eo ny tohiny!

Nangonin’i Lanzelo