EDITO 10 Oktobra – Governoran’Analamanga – Manao « bingo manao matso »

Sôh’son

Nambara fa asa fampandrosoana ny faritra no iompanan’ny asa iandreketan’ny governora, ary hovatsiana vola 1 miliara ariary avy ireo notendrena. Raha ny hita anefa, toy ny nataon’ny governoran’Analamanga omaly, dia toy ny “bingo manao matso” ihany ny zavatra ataony raha nidina teny Besarety. Efa asa sahanin’ny eo anivon’ny kaomina izany ary andraikiny ny fanadiovana ny lakandrano. Efa nanao izany ny eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra (CUA) ary nisy ny asa natao isaky ny Boriborintany, ary mbola mitohy izany asa izany amin’izao fotoana izao, fa tsy hoe tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Ben’ny tanàna, dia nijanona ihany koa izany asa sosialy izany. Eo indrindra no mahavariana amin’ny fihetsiky ny governora. Rehefa asaina miasa ve dia tsy hahay hanavaka ny asa manandrify ny tomponandraikitra tsirairay avy ato anatin’ny faritr’Analamanga?

Sao dia tokony hijery zavatra asa goavana kokoa tena ilàna an’Ingahy Ragôva sy mifanentana amin’ny tokony ho andraikiny. Iray amin’izany, ohatra, ny fitadiavana vahaolana amin’izay hampihenana ny tsy an’asa eto Antananarivo. Olana lehibe eto amin’ny firenena io tsy fananana asa io, ary izany no maika, fa tsy ny asa efa misy manao ihany no idirana indray. Midika ho tsy fifehezana andraikitra miandry izany.

Mazava loatra fa tsy nomena fanofanana amina asana governora izany ireo olona notendrena ireo. Fomba fiasan’ny filoha Ravalomanana Marc izany, fa tsy hain’ny fitondrana ankehitriny, raha tsy ohatra angaha hangala-tahaka indray koa toy ny fanaony. Ny fahitan’ny vahoaka matetika eto, toy ity nitranga ity, dia tsy mivaky loha amin’ny Tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo renivohitra ny fitondrana Rajoelina, fa avy hatrany mandingana fotsiny izao sy manao amboletra. Efa nisy ny tranga maro samihafa nahitana izany. Fihetsika izay te-haneho amin’ny vahoaka fa miasa kanefa asan’olona no atao, fa tsy mahita sehatr’asa hafa hatao. Be anefa ny sehatr’asa fampandrosoana tokony hotanterahina eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity sy ny tanàna manodidina azy. Nahoana no tsy any no mihazakazaka sa tsy manana traikefa amin’izany?

Dia mbola mitohy ihany ilay kajikajy politika maloto, izay efa nahitana sy nitondra voka-dratsy sy mbola hitondra ho an’ny vahoaka sy ny firenena.