Rajoelina sy ny ekipany – Manomboka miditra amin’ny avonavon-kevitra

Sôh’son

Azo takarina tsara miainga amin’ny zava-misy hita fa tsy manao politika mazava sy madio ho amin’ny fanasoavana marina ny firenena Rajoelina sy ny olom-boatendriny. “Ny teny toy ny salaka ary mamatotra ny tompony”, hoy ny fahendrena Malagasy. Ny teny mitsipalotra tampoka ambaran’izy ireo, teny miaro avonavona.

Vao tsy ampy herintaona teo amin’ny fitondrana, dia manao avonavon-kevitra sahady. “Tsy mampiraika ny vahoaka ny fanakianana etsy sy eroa…”, hoy Rajoelina. Teny midika tsotra izao izany fa manomboka miditra amin’ny avonavon-kevitra ny tenany. Tsy mihevitra ny handray ny tsikeran’ny mpanohitra sy ny tsy mitovy hevitra aminy araka izany izy, ary mety hanilika ankolafin’olona eto amin’ny firenena indray toy ny fanaony tamin’ny andron’ny tetezamita.

Niaraha-nahita tsara anefa fa tsy nisy fandrosoana mihitsy ny firenena nivoaka io fotoanan’ny tetezamita io. Izao koa manao izany sahady ingahy votendry ho governora. Nisy teny nitsipalotra nambarany tamin’ny fotoana nitokanana ny tsena morany tamin’ny herinandro lasa teo. “… inona indray no mbola tadiavina?”, avonavon-kevitra tsotra izao izany, ary vao tsy ampy iray volana akory dia efa maneho izany fihetsika izany sahady ingahy Ragôva Hery Rasoamaromaka, ilay olom-boatendrin-dRajoelina.

Efa naharenesana teny karazany toy izany ihany koa ny kandidà atolotry ny Ird eto Antananarivo renivohitra. Saiky ahenoina teny miendrika toy izany ankoatra ireo ny mpikambana eo anivon’ny governemanta. Azo inoana, fa mbola hiseho hiharihary hatrany io toetra sy fomba fihetsika manandra-tena sy feno avonavona io arakaraka ny fivoaran’ny fotoana raha ho an’ny mpandinika.

Handeha amin’izany ny fomba itaizana ny olom-pirenena indray ato ho ato? Rehefa avy nopotehina ny kolontsaina manaja ny soatoavina nandritry ny tetezamita.