Fiainam-pirenena – Mandroso any amin’ny fihemorana ny firenena

Rajaonarimpanontsana

Hihemotra ve sa tsy hivoatra? Handroso sa tsy handroso? Io no valiteny naverimberin’ny filoha Andry Rajoelina niantefa tamin’ireo tsy mitovy hevitra aminy sy mpitsikera azy, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetiny ny tenany, tamin’ilay fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra. Hentitra ny tovolahy ary tsy hihemotra mihitsy fa tsy maintsy manohy ny amboletra izay takatry ny sainy.

Raha raisina fotsiny ny raharaha fanotofana tany etsy Ambohitrimanjaka dia efa ambarany fa efa vita ny fanadihadiana rehetra irosoana ny Tanamasoandro. Tsy misy mandà ny fandrosoana na iray aza fa aoka kosa tsy ho fitahana ny vahoaka. Matoa misy ny fanoheran’ny mponina dia mbola misy dingana tokony harahana tsy voavaha ao. Maharary ny olona ny fihariany nandritra ny taona maro, ka esorina eo am-pelantanany na dia iray dia aza.

Na inona na inona lazaina dia toetra raiki-tapisaka amin’ny Malagasy ny fiarovana ny taniny, ka na tambazana vola aza tsy hanaiky mora ny fakana ny taniny izy ireo. Na afindra any Bevoay, lazaina fa malalaka aza ireo olona ireo tsy hanaiky raha tsy mazava tsara ny fifampiresahana ao anaty saina tony sy fanajana ary ny fihavanana. Toa hamaivanina amin’ny fanambarana fa tany aloha, tamin’ny fotoan’androny, tsy nisy sakana ny fanotofana tany nanorenana trano teto Antananarivo Renivohitra koa nahoana no lasa tsy mety izany ankehitriny?

Sao diso daty ary ity filoham-pirenena ity. Tamin’izany fotoana izany ange ka mbola nalalaka ny lemak’Antananarivo e! Ankehitriny, hafa mihitsy ny zava-misy. Nitombo ny mponina, niitatra ny fanorenana trano ary lasa nivoatra tsy araka ny tokony ho izy ny tanàna. Rariny tokoa raha hisy ny fanitarana fa aoka mba tsy hitondra mankany any amin’ny fanafintohinana ny hafa izany ary tokony hijery vahaolana hafa ny filoha Rajoelina satria mbola malalaka Antananarivo sy ny manodidina hanorenana ilay Tanamasoandro.

Nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao koa ny filazana fa tsy ho tratry ny tondra-drano mihitsy io Tanamasoandro io rehefa miakatra ny rano amin’ny fotoam-pahavaratra. Dia ahoana izany ny mahakasika ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ankehitriny? Tsy hisy fijerena vahaolana intsony ve izany fa dia avela ho dibon-drano eo satria efa ho avy ilay Tanamasoandro.

Nandatsaka kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra anefa ny mpomba ny fitondrana ary vaton’ireo mponina miaina eto ankehitriny no ilainy kanefa toa midika sahady fa ny Tanamasoandro no mahamaika, fa ny olan’ny fiakaran’ny rano ankehitriny tsy voavaha.

Soa ihany fa tsy kandida tokana no fidian’ny mponina fa maromaro. Rehefa fintinina ny fanehoan-kevitry ny filoha Andry Rajoelina dia tsy misy vahaolana maharitra fa ny famaliana ny mpanohitra sy ny mpitsikera azy no betsaka. Ny vahaolana vonjimaika tsy mahavaha olana maharitra no nitranga.