Fanotorana manara-penitra – Efa andalana Ambohitrimanjaka, dia anjaran’i Zaivola indray izao

Tsy ankitsitsy intsony ny an’ny fitondran-dRajoelina, f’efa tonga teny an-toerana ny Apipa. Didin’ny be sandry no miasa eto fa tsy misy ankihantra tantsaha izany. Hiroso amin’ny fandrodanana, fandravana sy fanotofana ny Apipa afaka andro vitsivitsy. Atao ny tombam-bidy, ampanantsoana ny tompony, atao ny tararasy sy ny sonia dia efatra andro aoriana hono dia azo ny vola honitra e.

Nanamafy anefa ny fokonolana fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fikasàn’ny fanjakana sy ny filohampirenena amin’ny fandravana sy hamarotana ny tanindrazan’izy ireo. Lova ho an’ny taranaka no ho alaina ankitsirano amina vola 5.000 ariary ny metatra toradroa.

Mahatsiaro voafitak’i Andry Rajoelina ny mponina tamin’ny fampanantenana nataony nandritra ny fampielezan-kevitra amin’ny fampiakarana ny voka-bary, ny fampitomboana ny tany azo volena ary ny fanampiana ireo tantsaha.

Nangonin’i Lanzelo