Raharaham-pirenena – Miala bala hatrany ny Filoha Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Iza no diso o! Hoy ilay tonon-kira iray izay.

Ny mpanohitra no ao ambadik’ilay famoahana « Sujet » bakalorea, hoy ingahy Andry Rajoelina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, tamin’ny fandaharana manokana, tamin’ny Alahady teo. Nambarany fa endrika fanakorontanana ny zava-misy.

Fa iza moa no mpitondra amin’izao fotoana izao? Iza no manendry ny Minisitra sy ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny fampianarana eto amin’ny firenena no lazaina fa ny mpanohitra indray no ao ambadiky ny tsy fahaizan’ny mpitondra? Raha sanatria ka nisy tokoa izany dia azo hambara tsy am-pisalasalana fa tsy mahay na inona na inona ity fitondrana ity, ka tsy afaka misoroka akory ny olana mety hitranga, tsy mahavaha olana rehefa tojo ny tampoka.

Na inona na inona fialàna bala dia aleo tsorina fa ny fanjakana no tompon’antoka manontolo tamin’iny hadalàny iny, ka aoka tsy ahilika amin’ny hafa velively. Ny fitondrana tarihan’ny filoha Andry Rajoelina no manao takalon’aina ny mpianatra Malagasy raha tsy hiteny hafa-tsy ny fanaovana fanadinana Bakalorea amin’ny andro alina miaraka amin’ny labozia sy ny laza adina mifamadika. Loza…, loza tsy roa aman-tany sady fahotana mahafaty no nataon’ity fanjakana ity ary tsy mbola nisy naha tany ny tany teto Madagasikara, ka any amin’ny ain-dehiben’ny mpianatra no atao kilalao tahaka izao. Raha mba ny zanak’izy ireo moa no tratra ity tranga mampalahelo ity dia mba ahoana? Ny zanak’ireo mpitondra antsika ireto mantsy tsy mba mianatra eto, ka tsy atao mahagaga raha tsy raharahiany ny zanaka malagasy maro mandranto fianarana eny amin’ny sekolim-panjakana.

Raha ny lojika sy ny rariny dia tokony hametra-pialàna, na hesorina eo amin’ny toerany ny minisitry ny fampiarana ambaratonga ambony sy ireo tompon’andraikitra samihafa nikirakira ny fanadinana Bakalorea; izay no tokony ho fizotran’ny raharaha, ankoatra ny fanadihadihana ataon’ny mpitandro ny filaminana mialoha ny ahatongavan’izany any amin’ny fitsarana mahefa.

Hitondra vahaolana, hoy Andry Rajoelina, no ipetrahany eo amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy. Ny mifanohitra amin’izany anefa no mitranga ankehitriny, 9 volana nitantanany ny firenena aty aoriana, ary vao mainka mikorontana ambony ambany sy milentika any an-davaka ny vahoaka Malagasy. Atao indray ny 2é Session ho an’ireo tsy afaka, ka tsy tafita tamin’ny fanadinana. Mbola endriky ny tsy fahaizana mitantana ihany koa izany fanapahan-kevitra izany satria tandra-metaka sy tefimaika fotsiny. Tsy maintsy atao mantsy ny maka sy manambitamby ireo ray aman-dreny ary ireo mpianatra voadona ka dia naleony niditra tamin’ny lalan-kafa mba hampitoniana ny raharaha sao lasa miitatra toa ny sima misioka.

Andrasana hatreto ny hevitr’ireo mpisehatra ny fampianarana, mpampianatra mpikaroka, toy ny SECES mahakasika ity fanapahan-kevitry ny filoham-pirenena ity; izay marihana fa mitaky ny fanafoanana Bakalorea farany teo ireto farany ary nanolotra soson-kevitra hamerenana manontolo izany fanadinana izany.

Nilaza koa ny filoha fa hanorina Fondation IEM, tsara indrindra aty Afrika. Ny eo aza tsy vita, tsy misy tokontaniny. Mbola endriky ny fandrebirebena vahoaka hatrany ny fanambarany ary efa saika mankadilo ny sofina ny maheno ireo fampanantenana maro mampandry adrisa kanefa mbola ny fitohizan-draharaha no misy mandraka androany. Nararadraraka ny fampanantenana amin’ny sehatra maro, izay angadiny raha fampisehoana no resahana. Izay rahateo no tena manavanana ity filoham-pirenentsika ity.

Raiso ny andraikitra Andriamatoa filoha fa aza miala bala rehefa sendra ny taolana ary aza manilika amin’ny hafa, fa ny manodidina anao ihany no mpamingana ao.