LEHIBEN‘NY FARITRA SA GOVERINORA ?

Haverina indray ve ny goverinora
F‘izany no anarana mahafatifaty ?
Sao teny nilaozan’ny andro sy ny ora
Na isan’ireo efa hoe “lany daty” ?

Sa ‘zay no fampiasan’ny mpanjanatany
Mba hoenti-milaza an’ireo notendreny,
Dia indro niniana naverina izany
Ry “zana-boloky” mpamerina teny?

Dia nomena toerana ireo izay tsy lany
Tanaty tontolon’ny baolina kitra?
Satria nalahelo ary saika hitomany
No tena nangaina sy nipitrapitra?

Tsy “saofera henjana” anefa no ilaina
Na koa ireo mpitrifana tia “derapazy”,
Fa olona hendry ary koa manan-tsaina.
(Tsy varian-dalao, tsy mpanao vazivazy!)

… Ka tena tsy goverinora no ilaina.
(Tandindon’ilay fanjanahana izany !)
Lehiben’ny faritra re ampiasaina
Ry zaza navelan’ny mpanjanatany!

DADAN’i ZINA (01-10-19)