Nisavorovoro ny bacc 2019 – Nisy ny halatra laza adina tao amin’ny sokajy A

Isambilo

Faritra maro teto amin’ny Nosy omaly no nisavorovoro ny fanatanterahan’ireo mpianatra mpiadina ny fanadinana bacc na bakalôrea. Hita izany tany Toamasina, tany Fenoarivo Atsinanana, Soanieran’Ivongo, Sainte- Marie, teto Antananarivo, tany Imerintsiatosika, tany Ambatondrazaka… Tafavoaka mialoha mantsy ny laza adina ho an’ny sokajy A, izany hoe halatra laza adina na fuite de sujets ny talata teo. Nisy ireo nahita mialoha ny laza adina.

Noho ny fahafantarana ny fivoahan’ny laza adina mialoha, nefa tsy tokony hivoaka raha tsy ny andron’ny fanadinana, voatery nihemotra ny fanombohan’ny fanadinana bacc omaly tamin’ireo faritra ireo. Noho izay antony izay, tezitra ny mpiadina ka nitroatra. Toy izany no nitranga tany Toamasina, niteraka faharatrana mpiadina miisa 3 izay savorovoro izay, ary efa nalefa notsaboina any amin’ny Hopitalibe ireo naratra. Fahatarana fanombohana fanadinana izay ihany koa no nitranga tany amin’ireo toerana hafa. Tany Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo faritra Itasy kosa dia tratra ambodiomby mihitsy ny Proviseur ny Lycée, sy ny mpampianatra ary mpianatra maromaro efa namita ny valiny tamin’ilay laza adina tafavoaka tamin’ny sokajy na série A io. Efa notazonin’ny mpitandro filaminana ilay Proviseur sy ny mpampianatra nanao izao toetra mamohehatra izao, fa ireo mpianatra kosa mbola navela niatrika ny fanadinana omaly, ary tsy maintsy hatao fanadihadiana rehefa vita ity fanadinana bakalôrea ity.

Tokony ho tsiambaratelo tanteraka hatramin’ny fotoana tokony hanombohan’ny fanadinana ireny laza adina ireny, niaiky ny mpikarakara dia ny ao amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony fa nisy izay halatra laza adina izay, voalazan’izy ireo fa tamin’ny tambazotran-tserasera facebook no nahitana izany, noho izay antony izay, tsy maintsy novaina ny laza adina fiandry ny laza adina omaly, hoy izy ireo, ka izay no nahatratra aoriana ny fanombohan’ny fanadinana, niteraka ny savorovoro avy eo, satria tsy nanaiky ireo tao amin’ny sokajy A, fa tokony ho najanona koa hoy izy ireo ny fanadinan’ny sokajy C sy D.

Noho izao trangana tsy fahombiazana amin’ny fampianarana eto amintsika izao, mametra-panontaniana ny maro, fitondrana inona loatra ity fitondrana Rajoelina ity: ny BEPC ambany be, ny bacc nivoaka ny sujet?