NY FITONDRANA FOZAORANA

https://blogdemadagascar.com/scientifiques-decouvrent-lorigine-foza-orana/
Credit: Ranja Andriantsoa

Fantatrao ve ’lay atao hoe fitondrana fozaorana?
Izy ilay mitsapatsapa, tsy mahita izay hizorana.
Folo volana no lasa, ny mpitazana efa reraka.
(Sasatra ny mihetsi-jaza saingy toa tsy mety teraka!)

Raha ny “fisehoana ivelany”, lohany izy ny amin’iny.
Tena miaiky ny rehetra, tolagaga ny vahiny.
Saingy nony injay jerena izay mba zava-tsara entiny,
Dia indrisy mahonena, ro matsatso tsisy ventiny!

Tranobe mijoalajola, izay ilay vina noketrehiny.
Setriny dia tanimbary marobe no hopotehiny.
Dia ho tonga ny mosary, be ny tsy hanana hohanina.
(Fantany mazava izany saingy toa odiany fanina!)

Saino ihany izay haleha ry fitondrana fozaorana,
Fa ny nosintsika anie toa eo an-dalam-pihemorana.
Ny miroso ho amin’ny tsara, izay no tanjona kinendry.
’Ndeha henoy dia tanteraho ny tolokevitry ny hendry.

DADAN’i ZINA (02-10-19)