Raharaham-pirenena – Filohan’ny HCC – Tena fanina fa tsy mody fanina

Isambilo

Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Hotel Carlton Ampefiloha ny fetim-pirenena Koreana Tatsimo, olo-manakaja maro eto amin’ny firenena no niatrika izany. Anisan’izany ny Filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa, teo koa ny Filoha Nasionalin’ny antoko TIM Marc Ravalomanana, izay sady filohan’ny RMDM, na ny Fivondronamben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara.

Ankoatra ny fiatrehana ny fetin’i Korea Atsimo, anisan’ny vaovao notrandrahan’ny mpanao gazety teny an-toerana ny fahazoana ny hevitry ny olom-panjakana sy ny mpanao politika momba ny fanendrena ireo governoram-paritra. Niandry farany mihitsy ny filohan’ny HCC tamin’izao lanonana izao vao nivoaka ho fialana ny mpanao gazety. Niandry azy hatramin’ny farany koa anefa ny mpampita vaovao. Noho izay antony izay, nametraka fanontaniana taminy ny mpanao gazety niandry teny an-toerana hoe: mody fanina ianao Prezidà? Namaly ny Filoha Jean Eric Rakotoarisoa tamin’izany fa tsy mody fanina aho hoy izy fa tena fanina mihitsy. Amin’ny manaraka aho miresaka hoy izy satria rehefa tokony hiteny vao miteny.

Ho an’ny Filoha Marc Ravalomanana indray raha nitafa tamin’ireo mpanao gazety izy dia nanambara fa araka ny andininy faha-154 ao amin’ny lalampanorenana, ny lehiben’ny faritra voafidim-bahoaka no miandraikitra ny asan’ny mpanatanteraka, ireo mpanolotsaim-paritra koa dia toy izany, tsy misy Governora izany ao hoy i Dada. Momba ny fahanginan’ny HCC ankehitriny, ity andrim-panjakana ity hoy izy no manara-maso ny fanajana ny lalampanorenana, fa tsy ny miteny fotsiny hoe azo raisina fa tsy mitombina. Izy ireo no mijery izay fanajana lalàna izay hoe: tena mandeha amin’ny lalana tena izy ve isika, sa amin’ny lalan-diso? Ny momba ny hoe vonjy maika ny fanendrena ireo governoram-paritra, nilaza ny Filoha Nasionalin’ny antoko TIM fa tsy azo atao andrakandrana ny fampiharana ny lalampanorenana, mila hajaina toy ny anakandriamaso izay voasoratra hoy izy.